Ny Fahaiza-mamoron-javatra — Fanomezana Mampiseho Fahalalahan-tanana avy Amin’Andriamanitra
MIFALY amin’ireo asa noforoniny i Jehovah. (Salamo 104:31). Ny fahafaham-po lalina azony avy amin’ny asa famoronana dia aseho ao amin’ny Genesisy 1:31 toy izao: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.”
Tsy nihazona izany fifaliana izany ho azy samirery i Jehovah. Nomeny an’i Jesosy ny tombontsoa ho fiasana, na fitaovana, izay tamin’ny alalany no namoronana ny zavatra hafa rehetra. (Jaona 1:3; Kolosiana 1:16, 17). Tamin’ny naha-‘mpiasa faran’izay nahay’ azy, i Jesosy dia ‘ravoravo teo anatrehan’i Jehovah mandrakariva’ koa. — Ohabolana 8:30, 31, NW.
Kanefa tsy any an-danitra ihany no misy ny fahaiza-mamoron-javatra. “Novolavolaina ho tapany lehibe amin’ny olombelona izy io”, hoy ny nosoratan’i Eugene Raudsepp tao amin’ilay bokiny hoe How Creative Are You? Tsy fifanandrifian-javatra izany, satria noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olona. (Genesisy 1:26). Araka izany, i Jehovah dia nanome ny olombelona fahaiza-mamoron-javatra mahafa-po. — Jakoba 1:17.
Noho izany, dia tsy mahagaga raha miresaka amim-pankasitrahana tokoa ny amin’ny fihirana, ny fandihizana, ny fanenomana, ny fandrahoan-tsakafo, ny asa tanana, sy ireo fiezahana mamoron-javatra hafa ny Baiboly. (Eksodosy 35:25, 26; 1 Samoela 8:13; 18:6, 7; 2 Tantara 2:13, 14). Nampiasa ny talentany tamin’ny ‘fanaovana asa kanto’ i Bezalila, mpanao asa tanana iray, mba hanohanana ny fanorenana ny tabernakely. (Eksodosy 31:3, 4). Ilay mpiandry ondry atao hoe Jabala no nety ho namorona ny lay, zavatra manamora ny fiainan’ny mpifindrafindra monina. (Genesisy 4:20). Tsy vitan’ny hoe mpitendry zavamaneno sy mpamoron-kira i Davida, fa mpanao zavamaneno vaovao koa. (2 Tantara 7:6; Salamo 7:17; Amosa 6:5). I Miriama dia nety ho nandrindra ilay dihy nanehoam-paharavoana lehibe izay nankalazana ny fanafahana ireo Isiraelita tamin’ny fomba nahagaga namakivaky ny Ranomasina Mena. — Eksodosy 15:20.
Matetika ny fahaiza-mamoron-javatra dia tombony iray amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. Nampiasa tamim-pahaiza-mamoron-javatra fanoharana sy lesona nisy zava-kendrena i Jesosy mba hampitana ny hafany. Ampirisihina toy izany koa ireo mpanara-dia azy mba ‘hikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana’. (1 Timoty 5:17). Eny, ny asa fitoriana ataon’izy ireo dia tsy fahazarana fotsiny. Izy io dia fahaizana izay mitaky fomba fampianarana amim-pahaiza-mamoron-javatra. (Kolosiana 4:6). Zava-dehibe indrindra izany rehefa mampianatra ny zanaky ny tena. — Deoteronomia 6:6, 7; Efesiana 6:4.
Araka izany, i Jehovah dia mizara amin’ny hafa ny fifaliana omen’ny famoronana azy. Fanomezana mampiseho fahalalahan-tanana re izany!