Mihazòna Tsy Fivadihana dia ho Velona Ianao!
“MANOZÒNA an’Andriamanitra ianao ary aoka ho faty!” Ny fonon’itỳ gazetintsika itỳ dia mampiseho an-tsary ny vadin’i Joba, izay namelively azy tamin’ireo teny ireo. Tokotokony ho tany amin’ny 3 600 taona lasa izany. Kanefa, izany famelivelezana am-bava natao tamin’ny mpanompo mahatokin’Andriamanitra izany dia manasongadina ny raharaha iadian-kevitra iray izay atrehin’ny olombelona hatramin’izao andro izao. Niaritra famoizan-javatra nahatsiravina i Joba nahatoky — ny omby aman’ondriny, ny trano fonenany, ny zanany folo. Ny tenany izao dia nampijalin’ny aretina raiki-tampisaka iray, izay nitsapa azy hatramin’ny fetran’ny fiaretany. Ny antony? Ilay fahavalo lehiben’Andriamanitra sy ny olona, i Satana Devoly, dia nanohy nanda fa tsy afaka mihazona tsy fivadihana amin’Andriamanitra ny olona eo ambanin’ny fitsapana mafy. — Joba 1:11, 12; 2:4, 5, 9, 10, NW.
Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’i Joba, “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, dia i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19). Rehefa heverina, dia mbola marina kokoa izany amin’izao andro izao, satria ankehitriny ‘ilay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao’, dia noroahina avy tany an-danitra ka nazera teto amin’itỳ tany itỳ. (Apokalypsy 12:9). Izany dia manazava ny fisian’ireo loza mafy mampahory ny olombelona amin’izao androntsika izao. Ny ady lehibe voalohany nipoaka tamin’ny 1914, dia nanamarika ny “fiandohan’ny fahoriana” izay nihamafy tao anatin’izao taonjato faha-20 izao. — Matio 24:7, 8.
Ao amin’itỳ tontolo lozabe sy mikororosy itỳ, mba efa nahatsapa ve ny tenanao fa tonga hatramin’ny fetra azon’ny olombelona iaretana? Mba efa nanontany tena ve ianao hoe ‘Misy zava-kendrena ve ny fiainana?’ Nety ho nahatsapa tahaka izany i Joba, nefa tsy namoy velively ny finoana an’Andriamanitra izy, na dia nanao fahadisoana aza. Nilaza ny fahatapahan-keviny tamin’izao teny izao izy: “Mandra-pialan’ny aiko, dia tsy hesoriko amiko ny tsy fivadihako!” Nanana fatokiana izy fa Andriamanitra dia “hahafantatra ny tsy fivadihany”. — Joba 27:5, NW; 31:6, NW.
Ny Zanak’Andriamanitra mihitsy, i Jesosy Kristy, dia tsy maintsy niaritra fisedrana koa, fony teto an-tany. Namely an’i Jesosy tamin’ny fomba samihafa i Satana. Nanararaotra ny zavatra nilain’i Jesosy ara-batana izy ka nitsapa ny fianteherany tamin’ny Tenin’Andriamanitra, toy ny teo an-tendrombohitra fitsapana. (Matio 4:1-11). Nanenjika tsy an-kijanona an’i Jesosy izy tamin’ny fanaovana izay hanenjehan’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nivadi-pinoana ary ireo voafitany azy sy tamin’ny fiampangana azy ho niteny ratsy ary tamin’ny fiokoana hamono azy. (Lioka 5:21; Jaona 5:16-18; 10:36-39; 11:57). Ratsy lavitra noho ny nataon’ireo mpampionona sandoka telo tamin’i Joba ny nataon’izy ireo tamin’i Jesosy. — Joba 16:2; 19:1, 2.
Tao amin’ny sahan’i Getsemane, rehefa nanakaiky ny fara tampony tamin’izany fitsapana izany i Jesosy, dia nilaza tamin’ny mpianany toy izao izy: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty”. Avy eo “Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Tamin’ny farany, dia niantso mafy toy izao i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, ho fahatanterahan’ireo teny ara-paminaniana ao amin’ny Salamo 22:1: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” Tsy nahafoy an’i Jesosy anefa Andriamanitra tamin’ny farany, satria nihazona tsy fivadihana tanteraka taminy i Jesosy, ka nanome modely mba harahin’ny Kristiana marina rehetra. Namaly soa ny fihazonan’i Jesosy tsy fivadihana i Jehovah tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty sy tamin’ny fanandratana azy ho any amin’ny lanitra avo indrindra. (Matio 26:38, 39; 27:46; Asan’ny Apostoly 2:32-36; 5:30; 1 Petera 2:21). Hamaly soa an’ireo hafa rehetra mihazona tsy fivadihana aminy tahaka izany koa Andriamanitra.
Tsy vitan’ny hoe nanome valiny feno ny fihaikan’i Satana ny tsy fivadihan’i Jesosy, fa ny ain’olombelona lavorary nananany nataony sorona koa dia nanome ny avotra, izay iorenan’ny mety hahazoan’ny olombelona mihazona tsy fivadihana fiainana mandrakizay. (Matio 20:28). Voalohany, dia manangona ny “ondry vitsy” voahosotra, izay ho tonga mpiara-mandova aminy ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra i Jesosy. (Lioka 12:32). Aorian’izany, dia angonina ny “olona betsaka” mba ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka handova ny fiainana mandrakizay ao amin’ny faritra eto an-tany hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Apokalypsy 7:9, 14-17.
Ho anisan’ireo maty an’arivo tapitrisany maro izay hatsangana amin’izany, mba ho tonga tapany amin’izany fitambaran’olon’ny “tany vaovao” hiadana izany, ilay Joba nihazona tsy fivadihana. (2 Petera 3:13; Jaona 5:28, 29). Araka ny ilazalazana izany eo amin’ny fonony farany amin’itỳ gazetintsika itỳ, dia novalian-tsoa noho ny tsy fivadihany i Joba tamin’ny androny, rehefa “nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany” i Jehovah. Nahazo tanjaka ara-panahy izy, toy ny olona “tsy nanota tamin’ny molony”. Nohalavain’Andriamanitra 140 taona fanampiny ny fiainany. Teo amin’ny ara-nofo, dia nomeny avo roa heny noho izay rehetra nananany teo aloha i Joba, ka “nanan-janaka fito lahy sy vavy telo” izy; ireo zanany vavy dia noheverina ho ny tsara tarehy indrindra tao amin’ny tany rehetra. (Joba 2:10; 42:12-17). Izany firoboroboana rehetra izany anefa dia santatra fotsiny ihany ny amin’ny fitahiana hifalian’ireo mpihazona tsy fivadihana ao amin’ny Paradisan’ny “tany vaovao”. Ianao koa dia afaka ny handray anjara amin’izany fifaliana izany, araka ny hohazavain’ireo pejy manaraka!
[Sary, pejy 4]
Nanome ny ohatra tanteraka tamin’ny naha-mpihazona tsy fivadihana azy i Jesosy