“Ny Fiadanan’Andriamanitra, Izay Mihoatra Noho ny Fahalalana Rehetra”
NANDRITRA ny tantara manontolo, dia nisy mpanompo mahatokin’Andriamanitra nandalo fe-potoam-pitebitebena ara-pihetseham-po mafy dia mafy. Tena marina toy inona moa izany amin’izao andro izao, noho isika miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”! (2 Timoty 3:1, NW ). Ny apostoly Paoly dia nanome torohevitra ireo Kristiana mba hametraka ny fanahiany rehetra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Inona no vokatr’izany? “Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:7.
Inona io “fiadanan’Andriamanitra” io? Izy io dia fahatoniana izay avy amin’ny fananana fifandraisana akaiky amin’ilay Mpamorona. Ny fifankahazoana am-po toy izany dia manome antsika toky fa, na manao ahoana na manao ahoana ny fahoriantsika, i Jehovah dia “tsy mba hanary ny olony, ary ny lovany tsy hafoiny”. — Salamo 94:14.
Izany akory tsy midika hoe vita fanefitra amin’ny fahoriana isika. “Maro ny fahorian’ny marina”, hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo. (Salamo 34:19). Kanefa dia afaka mitondra fanamaivanana ny fiadanan’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana?
Ny fiadanan’Andriamanitra dia “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” hoy ny nosoratan’i Paoly — na, araka ny nandikan’ny Concordant Version azy, dia hoe “ambony noho izay toetran’ny saina rehetra” izy io. Ny fanahiana dia afaka mahatonga antsika handalo amin’ny fihetseham-po mampahory maro karazana. (Mpitoriteny 7:7). Na dia izany aza, ny fiadanan’Andriamanitra dia afaka mampitoetra antsika tsy hihilangilana, indrindra fa rehefa mila “hery mihoatra noho ny mahazatra” isika. — 2 Korintiana 4:7, NW; 2 Timoty 1:7.
Ankoatra izany, dia fiarovana ny fiadanan’Andriamanitra. Afaka ‘miaro ny fonao sy ny hevitrao’ izy io, araka ny nosoratan’i Paoly ho an’ireo Filipiana. Ilay teny grika nadika hoe “miaro” dia teny fampiasan’ny miaramila izay azo inoana fa mampahita sary an-tsaina an’ireo miaramila mpiambina izay manohy miambina andro aman’alina. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny fiadanan’Andriamanitra dia afaka miasa toy ny mpiambina iray mandritra ny 24 ora eo amin’ny fontsika sy ny saintsika. — 1 Korintiana 10:13; ampitahao amin’ny Efesiana 4:26.
Rehefa dinihina amin’ireo zava-tsarotra mampihenjana atrehintsika isan’andro, moa ve tsy zavatra mahavelom-pisaorana ny fiadanan’Andriamanitra? — Salamo 18:2; ampitahao amin’ny Eksodosy 40:38.