FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/12 p. 31-32
  • Hevitra Nambara An-karihary Manohana ny Finoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hevitra Nambara An-karihary Manohana ny Finoana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/12 p. 31-32

Hevitra Nambara An-karihary Manohana ny Finoana

REHEFA nifarana ny taonjato lasa teo, ireo hevitra nambara nanohana ny siansa sy ny filozofia ary ny fanilihana ny fivavahana dia nisy vokany manimba teo amin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly.

Kanefa tsy izy ireny no hany hevitra nambara. Mpanao fikarohana maro no nihevitra fa be dia be no azo lazaina ho fanohanana ny finoana an’Andriamanitra toy izay ny tsy finoana azy. Nampiseho porofo tondraka koa ireo fandinihana nataon’izy ireo fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry.

Ny olona iray fanta-daza izay nilaza ny heviny ny amin’izany dia i C. T. Russell. Olona an-tapitrisany maro no namaky ilay boky nosoratany tamin’ny 1886 hoe Le divin plan des âges. Toko iray mahery tao amin’izy io ny hoe “Voaporofo ny Fisian’ny Mpamorona Iray Manan-tsaina Fara Tampony”.

Nandritra ireo am-polony taona nanaraka, i Russell dia nanoratra lahatsoratra sy taratasy mivalona ary boky izay nanome antony mahery ho an’ny finoana an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Izy ireny dia natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Ny prezidàn’izy io faharoa, i J. F. Rutherford, dia nanoratra ilay boky hoe Création (1927) sy asa soratra hafa izay nanohana koa ny hevitra nambara ho an’ny finoana.

Io fikambanana io dia nanomana vao haingana fanazavana araka ny toetr’andro momba ireo foto-kevitra ireo. Afaka manome izany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hodinihinao amim-pieritreretana.

Raha irinao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao any an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-2.

[Sary, pejy 32]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara