“Izany no Tokony ho Fitondran-tenan’ny Kristiana Marina”
TAO amin’ny bokiny hoe Arbeit macht tot — Eine Jugend in Auschwitz (Mamono Anao ny Asa — Fahatanorana tao Auschwitz), nosoratany tamin’ny 1990, i Tibor Wohl, anisan’ny sisa tsy maty tao Auschwitz, dia nanome porofo an-tsoratra ny amin’ny resaka sendra reny, nifanaovan’ny mpigadra roa lahy. Ny iray, izay Aotrisiana, dia nilaza ny tenany ho “tsy mpino”. Kanefa izy dia nidera ireo mpigadra nitondra ilay famantarana telozoro volomparasy — ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay toby.
“Tsy mandeha miady izy ireo”, hoy ilay Aotrisiana tamin’ilay namany. “Aleony hovonoina toy izay hamono olon-kafa na iza na iza. Araka ny hevitro, dia izany no tokony ho fitondran-tenan’ny Kristiana marina. Ilazako fisehoan-javatra iray tena nahafinaritra niarahako tamin’izy ireo ianao. Tafaraka tamin’ny Jiosy sy ny Mpianatra ny Baiboly izahay tao amin’ny trano iray tao amin’ny tobin’i Stutthof. Tamin’izay, ireo Mpianatra ny Baiboly dia tsy maintsy nanao asa an-terivozona mafy teny ivelany, tao anatin’ny hatsiaka namirifiry. Tsy azonay ny fomba tsy nahafaty azy ireo. Nolazainy fa nanome hery azy i Jehovah. Nila aoka izany ny mofony izy ireo, satria maty noana. Inona anefa no nataony? Nangoniny ny mofo rehetra nananany, nalainy ny antsasak’izany ary ny ambiny nomeny ireo rahalahiny, ireo rahalahiny ara-panahy, izay tonga, nirangorango, avy tany amin’ireo toby hafa. Ary nandray tsara sy nanoroka azy ireny, izy ireo. Talohan’ny nisakafoanany, dia nivavaka izy ireo, ary rehefa izany, dia miramiran’ny hasambarana ny tavany. Nilaza izy ireo fa tsy nisy noana intsony. Koa nanao anakampo aho avy eo hoe: ‘Kristiana marina ireto.’ Izany foana no noeritreretiko ho tokony hataony. Ho nahafinaritra toy inona moa ny nandray tsara toy izany ireo namana mosarena, eto Auschwitz!”