FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/10 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/10 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Fony i Eva, sy i Adama tato aoriana, nihinana tamin’ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ratsy, moa ve paoma no nohanin’izy ireo?

Tsy fantatsika. Olona maro no nihevitra fa ilay “voankazo voarara” dia paoma, ary tao anatin’ny taonjato maro dia nasehon’ireo artista an-tsary ho toy izany izy io matetika. Ny Baiboly anefa dia tsy nanonona ny anaran’ilay hazo sy ny voany. Niresaka azy io fotsiny ho toy “ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha” i Eva. — Genesisy 3:3.

Amin’io lafiny io, dia mahaliana ny lahatsoratra hoe “Paoma”, hita ao amin’ny boky Insight on the Scriptures:

“Betsaka ny fanombantombanana raha ny amin’ny fahafantarana ilay hazo sy voankazo tondroina amin’ny teny hebreo hoe tap·puʹach. Ilay teny mihitsy dia manondro izay miavaka amin’ny fameroverony na ny hanitra avy aminy. Izy io dia avy amin’ny fototeny hoe na·phachʹ, izay midika hoe ‘misanehaka, manempotra, misefosefo’. (Gen. 2:17; Joba 31:39; Jer. 15:9, NW ). Mikasika azy io, dia nanoratra toy izao i M. C. Fisher: ‘Ny fifandraisana [amin’ny hoe na·phachʹ] raha dinihina voalohany, dia toa mivaona amin’ny hevitry ny teny, nefa mifandray aminy ny hevitra hoe “miaina” sy ny hoe “mamoaka fofona”. Ny endriky ny teny mifanitsy aminy atao hoe puah dia sady midika hoe “mitsoka” (ny an’ny rivotra) no hoe “mamoaka fofona mahafinaritra, mamerovero”. ’ — Theological Wordbook of the Old Testament, navoakan’i R. L. Harris, 1980, Boky faha-2, p. 586.

“Voankazo maromaro no naroso ho solon’ny paoma, tao anatin’izany ny laoranjy, ny voasarimakirana, ny kaontsy, sy ny paiso abricot. (...) Kanefa, ny teny arabo mifandray aminy atao hoe touffakh dia midika voalohany hoe ‘paoma’, ary mendrika homarihina fa ny anaran’ny toerana hebreo hoe Tapoa sy Beti-tapoa (azo inoana fa nantsoina toy izany noho ny fielezan’io voankazo io teny amin’ny manodidina azy), dia notahirizina tamin’ny teny mifanitsy aminy amin’ny teny arabo. (Josoa 12:17; 15:34, 53; 16:8; 17:8). Tsy teny amin’ny lemaka ambany fa teny amin’ny havoana, izay azo lazaina fa antonona ny toe-tany amin’ny ankapobeny, no nisy ireo toerana ireo. Fanampin’izany, dia tsy azo ailika tanteraka ny mety ho nisian’ny fiovaovana sasany teo amin’ny toe-tany tamin’ny lasa. Maniry any Isiraely mihitsy ny hazo paoma amin’izao andro izao ary, araka izany, dia toa mifanentana tsara amin’ny filazalazan’ny Baiboly. Nanao tatitra mihitsy aza i William Thomson, izay nandany taona maro tany Syria sy Palestina tamin’ny taonjato lasa, fa nahita saha voavoly hazo paoma tany amin’ny faritr’i Askelona, tany amin’ny lemak’i Filistia. — The Land and the Book, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 545, 546.

“Ny hazo paoma (Pyrus malus) dia voalaza indrindra ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, izay ampitovian’ilay Sonemita ny fanehoam-pitiavan’ilay mpiandry ondry sakaizany, amin’ny aloky ny hazo paoma sy ny hamamin’ny voany. (Tonon. 2:3, 5). Ho setriny kosa, izy io dia mampitaha ny fofon’ain’ilay sonemita amin’ny fameroveron’ny paoma. (Tonon. 7:9; jereo koa ny 8:5.) Ao amin’ny Ohabolana (25:11), dia ampitovina amin’ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra” ny teny atao amin’ny fotoana mety sy amin’ny ilana azy. Ny hany firesahana hafa momba ny paoma dia eo amin’ny Joela 1:12. Ny lovantsofina miely ilazana fa hoe paoma ilay voankazo voarara tao Edena dia tsy misy fototra ao amin’ny Soratra Masina mihitsy na inona na inona izany. Tahaka izany koa, dia hita ao amin’ny King James Version (Sal. 17:8; Ohab. 7:2; sy andinin-teny hafa) ny fitenenana hoe ‘ny paoman’ny maso’, nefa tsy fitenenana hebreo izy io, ny fandikana ara-bakiteny dia hoe ‘ny anakandriamaso[n’ny olona iray]’. ” — Insight on the Scriptures, Boky faha-2 voalohany, pejy faha-131-132, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. tamin’ny 1988.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara