FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/10 p. 3-4
  • Miely Hatraiza Hatraiza ny Fahatahorana ny Maty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miely Hatraiza Hatraiza ny Fahatahorana ny Maty
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Aiza ny Razantsika?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
    Mifohaza!—1996
  • Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
    Mifohaza!—2009
  • Matahotra ny Maty ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/10 p. 3-4

Miely Hatraiza Hatraiza ny Fahatahorana ny Maty

Efa nilentika elaela ny masoandro. Mody any an-tranonao ianao somary tara kokoa tsy araka ny itiavanao azy. Raha mbola mitondra anao handalo ny toeram-pandevenana eo an-toerana ny dianao, dia manomboka mitepo haingana kokoa ny fonao. Mahatonga anao ho mailo amin’ny feo faran’izay kely ny fahanginan’ny alina maizina. Tampoka teo dia mandre feo mikiaka, manaitra any lavitra any, ianao. Manafaingana ny dianao ianao — mihafaingana koa ny fitepon’ny fonao — raha mbola mitodi-doha hamonjy ny tranonao ianao mba hahita fiarovana.

EFA mba nahatsapa fihetseham-po feno fitebitebena ve ianao fony tao amin’ny toeram-pandevenana iray na teny akaikiny? Raha izany no izy, dia mety ho nisy heriny teo aminao ny fiheverana ara-pivavahana iray, izay fahita maneran-tany, fiheverana hoe ny fanahin’ny maty dia afaka manampy na manisy ratsy ny velona.

Fanao feno finoanoam-pinoana maro no nipoitra vokatry ny finoana fa mila ny fanampian’ny velona ny maty na mety hanisy ratsy ny velona izy ireny raha tsy ampitonena. Any amin’ireo tany sasany any Amerika Latina, ohatra, dia fanaon’olona maro ny manangana trano kely misy lakroa eo amin’ny toerana izay nahafatesan’ny olona iray tra-doza. Mandrehitra labozia sy mametraka voninkazo eo ny olona amin’ny fiezahana hampiseho fiheverana na mba hanampiana ny fanahin’ilay olona maty. Amin’ny toe-javatra sasany, dia miely patrana ireo fitantarana momba ireo valim-bavaka “amin’ny fomba mahagaga”, hany ka manomboka mandeha matetika mankany amin’ny toeran’ny animita, ilay trano kely ho an’ny fanahin’ilay maty, ny olona. Eo izy ireo dia manao mandas, na fampanantenana fa raha hanampy azy ireo hanatanteraka na hahazo zavatra sasany — angamba fanasitranana amin’ny fomba mahagaga — ilay olona maty, dia hampiseho ny fankasitrahany amin’ny fomba manokana izy ireo. Etsy an-danin’izany, dia mety hotantaraina fa niseho tao amin’ny haizin’ny alina ny fanahin’ny olona iray, ka nampihorohoro an’ireo nanatrika teo. Lazaina amin’ny fomba mahazatra ireny fanahy ireny hoe penando, manorisory ny velona noho ireo fisehoan-javatra tamin’ny lasa.

Any amin’ny tany maro, ny olona dia manao ezaka lehibe mba hampitonena ireo ‘fanahin’ny’ maty. Atao ireo fanasam-be voakarakara amim-pitandremana, atolotra ireo fanatitra, atao ireo teny mampitony, ka izany rehetra izany dia mba hanandramana hisakana ny fanasazian’ny fanahin’ilay olona maty. Heverina fa ny fampitonena ilay fanahy dia hiteraka valisoa sy fitahiana ho an’ireo nilaozany.

“Maro no mino fa tsy misy fisehoan-javatra mitranga ‘amin’ny fomba mahazatra na voajanahary’ ”, hoy ny tatitra iray avy atsy Afrika. “Izay mety ho fisehoan-javatra rehetra — na aretina izany, na loza amin’antambo, na tsy fahafaha-miteraka, na zava-tsarotra ara-toe-karena, na rotsakorana na hainandro be loatra, na loza tampoka, na tsy firaisan-tsain’ny mpianakavy, na fahafatesana — dia heverina fa avy amin’ireo fanahy tsy hita maso, izay manana hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” Milaza toy izao ny tatitra hafa iray: “Mino ny olona fa ny fanahin’ireo razany dia mitoetra any an-danitra ary manara-maso hatrany an’ireo havany velona eto an-tany. Inoana fa manana hery tsy araka ny mahazatra ireo razana, hery izay azony ampiasaina mba hitahiana sy hiarovana ireo havany eto an-tany na mba hanasaziana azy ireo, miankina amin’ny fanajan’ireo havana na ny fanaovany tsirambina ny maty.”

Kanefa mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ve izany? Ahoana ny hevitrao?

[Sary, pejy 4]

Animita iray any Silia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara