“Faka Izay Tsy Azo Ongotana”
ANISAN’NY zavamananaina lehibe indrindra sy ela indrindra ireo hazo séquoia any Californie. Mijoro mahatratra haavo 90 metatra eo ho eo ireny zava-mahatalanjona mijoalajoala ireny rehefa mahatratra ny fahalehibiazany ary afaka ny ho velona mihoatra ny 3 000 taona.
Na dia mahatahotra aza ny fahitana séquoia iray, dia mampiaiky volana toy izany koa ny rafi-pakany tsy taza-maso. Manana faka mifamatopatotra mitsotra izay mety handrakotra faritra lehibe mahatratra 1,2 na 1,6 hektara ny séquoia. Manome famaharana mafy na dia rehefa misy tondra-drano na rivo-mahery aza, io rafi-paka makadiry io. Azon’ny séquoia atao mihitsy aza ny mahatohitra horohoron-tany mahery!
Nifidy ny rafi-paka maherin’ny hazo iray ho toy ny fanoharana tamin’ny iray tamin’ireo ohabolana nataony i Solomona Mpanjaka. “Tsy misy olona afaka mampitoetra ny tenany amin’ny alalan’ny faharatsiana”, hoy izy, “fa ny olona tsara manana faka izay tsy azo ongotana.” (Ohabolana 12:3, The New English Bible). Eny, ireo ratsy fanahy dia eo amin’ny toerana mihozongozona. Izay mety ho fahombiazana toa tratrany dia mihelina fotsiny, satria mampanantena i Jehovah fa “ny fanantenan’ny ratsy fanahy ho foana”. — Ohabolana 10:28.
Fampitandremana ho an’ireo izay mihambo ho Kristiana izany, satria nilaza i Jesosy fa ny sasany dia ‘tsy hanam-paka’ ao anatiny ary ho tafintohina. (Matio 13:21). Ankoatra izany, ny apostoly Paoly dia nanoratra ny amin’ireo olona izay ‘hampitambolimbolenin’ny rivotry ny [fampianaran-diso] samy hafa rehetra’. (Efesiana 4:14). Ahoana no azo isakanana izany?
Toy ny isandrahan’ny fakan’ny séquoia amin’ny fomba miitatra ao amin’ny nofon-tany mamelona, ny fontsika sy ny saintsika dia mila ny manadihady amin’ny fomba miitatra toy izany koa ao anatin’ny Tenin’Andriamanitra ka hanovo avy amin’ny rano manome fiainana raketiny. Hanampy antsika hampitombo finoana latsa-paka mafy izany. Mazava ho azy fa hahatsapa ny vokatr’ireo fitsapana misamboaravoara isika. Mety hihovotrovotra mihitsy aza isika, tahaka ny hazo iray, eo anatrehan’ny fahoriana. Kanefa, raha miorim-paka tsara ny finoantsika, dia hanaporofo isika fa manana “faka izay tsy azo ongotana”. — Ampitahao amin’ny Hebreo 6:19.