FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/8 p. 30
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahita ny Fivavahana Marina ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Hoavy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao
    Ho Avy Azo Antoka—Afaka ny Hahita Izany Ianao
  • Fialofana ahitana fiadanana ve ny tokantranonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Aiza no Ahafahanao Mahita Fitarihana Mendri-pitokiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/8 p. 30

Tadidinao Ve?

Moa ve ianao nieritreritra tamim-pitandremana momba ireo nomerao farany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy dia azo inoana fa hahaliana anao ny hahatsiaro izao manaraka izao:

▫ Inona no tsy fitoviana lehibe eo amin’ny olona sy ny biby?

Ny tsy fitoviana lehibe dia mifototra amin’ny firafitra sy ny fahaizana ary ny fiasan’ny atidoha. Eo amin’ny biby, saiky ny fiasan’ny atidoha rehetra dia efa voalahatra mialoha ao amin’ilay nanjary nantsoina hoe fahendrena voajanahary. Tsy izany no izy amin’ny olombelona. Nomen’Andriamanitra fahaizana misafidy malalaka ny olombelona. (Ohabolana 30:24-28, NW ). — 15/4, pejy faha-5.

▫ Inona no anjara asan’ny hira tao amin’ny tempoly fanaovana fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah?

Ny mozika, indrindra fa ireo mpihira, dia nanana toerana lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahana, tsy voatery hoe mba hampahafantarana tsikelikely ireo raharaha lehibe kokoa tao amin’ny Lalàna, fa mba hanomezana ilay toe-tsaina mety ho an’ny fanompoam-pivavahana. Izany dia nanampy ireo Isiraelita hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny fomba velombelona. (1 Tantara 23:4, 5; 25:7). — 1/5, pejy faha-10, 11.

▫ Karazana fiheverana inona no ilain’ireo zanaka “raha mbola zazakely” izy?

Tsy maintsy manome fiheverana saiky tsy an-kijanona ho an’ny zaza vao teraka iray ireo ray aman-dreny. Nanoratra toy izao i Paoly: “[Raha mbola zazakely, NW ] hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena”. (2 Timoty 3:15). Noho izany, ny fiheveran-dray aman-dreny azon’i Timoty raha mbola zazakely mihitsy izy dia ara-panahy koa. — 15/5, pejy faha-11.

▫ Fitohitohizana porofo efatra inona avy no manaporofo fa mirakitra hafatr’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona iray manontolo ny Baiboly?

1) Ny maha-azo ampiasaina azy. Ny Baiboly dia azon’ny 98 isan-jaton’ny mponina eto an-tany eo ho eo ampiasaina. 2) Ny maha-ara-tantara azy. Mirakitra zava-misy ara-tantara, fa tsy angano tsy azo porofoina, ny Baiboly. 3) Ny maha-azo ampiharina azy. Ny didiny sy fotopoto-pitsipiny dia manome ny ventin-kevitra momba ny fomba fiaina iray izay mitondra soa ho an’ireo manaraka azy. 4) Ny faminaniana. Izy io dia boky iray milaza amin’ny an-tsipiriany izay hitranga amin’ny hoavy. — 1/6, pejy faha-8, 9.

▫ Andraikitra inona no miaraka amin’ny fahafantarana ny fivavahana marina?

Raha vantany vao mahita ny fivavahana marina isika, dia hanorina ny fiainantsika manodidina azy io. Fomba fiaina izy io. (Salamo 119:105; Isaia 2:3). — 1/6, pejy faha-13.

▫ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fianarana manokana ny Baiboly?

Ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia mila ny manavao isan’andro ny fifaliany sy ny heriny amin’ny fahitana endriny vaovao na lalina kokoa isehoan’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany dia hitoetra ho marisika ara-panahy hatrany izy ireo. — 15/6, pejy faha-8.

▫ Inona no tiana holazaina amin’ny teny hoe “ota” araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly?

Amin’ny endriky ny matoanteny, ny teny hebreo sy grika mazàna ampiasain’ny Baiboly mba hilazana ny “ota” dia midika hoe “diso”, amin’ny heviny hoe diso na tsy mahatratra tanjona, na marika, na tarigetra iray. Ny olon-droa voalohany dia tsy nanana ilay voninahitra avy amin’Andriamanitra, diso an’ilay zava-nokendren’Andriamanitra tamin’ny namoronany azy ho tahaka ny endriny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanota izy ireo. (Genesisy 2:17; 3:6). — 15/6, pejy faha-12.

▫ Nahoana no tena tsy fanehoam-pahendrena ny famakiana zavatra vita an-tsoratry ny mpivadi-pinoana?

Ny sasany amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny mpivadi-pinoana dia mampiseho lainga amin’ny alalan’ny “teny malefaka” sy “teny mamitaka”. (Romana 16:17, 18; 2 Petera 2:3). Manakiana sy manaratsy fotsiny ny asa soratra rehetra ataony. Tsy misy na inona na inona mampahery. — 1/7, pejy faha-12.

▫ Toerana niandohan’ny demokrasia ve i Gresy?

Tsy nampiharina afa-tsy tao amin’ny tanàna-fanjakana vitsivitsy ny demokrasia tany Gresy fahiny, ary na dia tao amin’izy ireny aza dia ireo olom-pirenena lahy ihany no nifidy. Izany dia nidika fa ny efatra ampahadimin’ny mponina dia navela. Tsy fiandrianam-bahoaka na demokrasia velively izany! — 1/7, pejy faha-12.

▫ Inona no mahatonga ny fanambadiana kristiana ho vanona?

Rehefa manaja ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana ny mpivady sy miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Teniny. (Efesiana 5:21-33). — 15/7, pejy faha-10.

▫ Ahoana no ahafahana manao ny fianaram-pianakaviana hahitana fahafinaretana?

Miezaha mitana ny ankizy rehetra ho tafiditra amin’ilay fianarana. Aoka ianao ho manorina sy mampandroso, ka hanao teny fiderana amin-kafanam-po an’ireo zanakao noho ny fandraisany anjara. Aza mianina amin’ny famitana ilay fianarana fotsiny, fa miezaha hanohina ny fon’ny zanakao. — 15/7, pejy faha-18.

▫ Inona no tiana holazaina amin’ilay fitenenana hoe “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay”? (1 Tesaloniana 5:3).

Mariho fa tsy milaza ny Baiboly hoe hahatanteraka ‘fiadanana sy fandriampahalemana’ ireo firenena. Toa hiresaka momba izany amin’ny fomba tsy manam-paharoa anefa izy ireo, amin’ny fampisehoana fahitana lafy tsaran-javatra sy fiekena tsy tsapa teo aloha. Toa ho akaiky kokoa mbola tsy nisy toy izany ireo fahafahana hanatanteraka fiadanana sy fandriampahalemana. — 1/8, pejy faha-6.

▫ Milazà fomba telo nampisehoan’i Jehovah fahalalana ny antonona.

Nampiseho ny fahavononany hamela heloka i Jehovah. (Salamo 86:5). Vonona ny hanova ny fizotran’ny zavatra noheveriny hatao izy rehefa mipoitra ny toe-javatra vaovao. (Jereo Jona toko faha-3.) Nampiseho ny tenany ho mahalala ny antonona koa i Jehovah teo amin’ny fampiharany fahefana. (1 Mpanjaka 22:19-22). — 1/8, pejy faha-12-14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara