Inona no Hoavin’ireo Tanorantsika?
NY FANDRAHONANA niokleary — na avy amin’ny baomban’ireo mpampihorohoro izany na avy amin’ny loza mitranga any amin’ireo ozinina mpamokatra angôvo niokleary — dia mandrahona ny rehetra. Angamba ianao manahy manokana ny amin’ireo tanora, anisan’izany ireo zanakao na ny zafikelinao mihitsy aza. Mampalahelo tokoa ny mahita fa mampidi-doza ny fahasalamana sy ny hoavin’ny ankizy rehetra ny fandrahonana niokleary.
Aza kivy anefa. Misy antony ahafahanao manantena zavatra tsara raha ny amin’ny hoavin’ireo tanora. Ny fototry ny fanantenana dia miorina, tsy amin’ny fiezahan’olombelona hiaro ny ankizy, fa amin’ny hoavy iray mipetraka eo an-tanan’ilay Mpamorona antsika.
Rehefa nampianatra i Jesosy Zanak’Andriamanitra tany Moyen-Orient, dia nasehony fa niahy ny tanora izy. (Marka 9:36, 37, 42; 10:13-16). Asehon’ny Baiboly fa ho hita ny taratry ny fiahiana mitovy amin’izany rehefa hamarana ny fandrahonana niokleary Andriamanitra amin’ny farany sy hanorina paradisa haneran-tany. Ho afaka hifaly amin’izany ny tanorantsika ary ny tenanao koa.
Raha irinao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao any an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-2.