Narahina Fahafatesana Ireo Fankalazana Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana
HEVERIN’NY ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao ho fanao tsy mampaninona ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Kanefa tsy manao filazalazana amim-pankasitrahana io fanao io ny Baiboly. Zavatra iray aloha, ny Soratra Masina dia tsy mirakitra filazana fa nisy mpanompon’Andriamanitra nahatoky nankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana.
Ny hany fitsingerenan’ny andro nahaterahana roa tena resahin’ny Baiboly dia ny an’ny mpanapaka roa izay fahavalon’Andriamanitra. Nahafaoka famonoana ho faty ny fankalazana tsirairay, mba hahafahan’ireo nasaina ho ravoravo sy afa-po tamin’ny fahafatesan’ilay tsy nankasitrahan’ny mpanjaka. Tamin’ilay ohatra voalohany, i Farao, mpanjakan’i Egypta, dia nampamono ho faty ny lehiben’ny mpanao mofony. (Genesisy 40:2, 3, 20, 22). Nanao izany ilay mpanapaka egyptiana nandritra ilay fanasana satria tezitra indrindra tamin’ilay mpanompony izy. Tamin’ilay ohatra faharoa, i Heroda, mpanapaka an’i Galilia naloto fitondran-tena, dia nampanapaka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa mba ho fanehoam-pankasitrahana tamin’ny zazavavy iray izay nahafinaritra azy ny fandihizany tamin’ilay lanonana. Fisehoan-javatra naharikoriko re izany! — Matio 14:6-11.
Kanefa, moa ve ny Baiboly tsy nifantoka tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana roa tena naningana? Tsy dia izany loatra. Nampiharihary ilay mpanoratra tantara jiosy fahiny atao hoe Josèphe fa tsy hoe tsy fahita ireny fisehoan-javatra ireny. Nirakitra an-tsoratra ohatra hafa ny amin’ny famonoana ho faty tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana mba ho fialam-boly, izy.
Ohatra, ny sasany tamin’izany dia nitranga taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., rehefa nisy Jiosy 1 000 000 maty ary 97 000 tafita velona mba hogadraina. Teny an-dalana ho any Roma, dia nitondra ireo babo jiosy azony nankany amin’ny seranan-tsambon’i Kaisaria teny akaiky, i Titus jeneraly romana.
Nanoratra toy izao i Josèphe: “Fony nitoetra tao Kaisaria i Titus, dia nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Domitien rahalahiny tamim-boninahitra lehibe, ka namono ho faty mpigadra 2 500 mahery nandritra ny lalao nisy biby dia sy lel’afo. Taorian’izay izy dia nankany Berytus [Beyrouth], zanatany romana tany Fenisia, izay nankalazany ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny rainy tamin’ny famonoana babo maro kokoa tamin’ny fampisehoana voakaly tsara.” — The Jewish War, VII, 37, nadikan’i Paul L. Maier tao amin’ny Josephus: The Essential Writings.
Tsy mahagaga raha manazava toy izao ny The Imperial Bible-Dictionary: “Nihevitra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana ho toy ny tapany amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny sampy ireo Hebreo velona tatỳ aoriana. Izany dia fiheverana izay nohamarinina be dia be tamin’izay zavatra hitan’izy ireo tamin’ny fankalazana nahazatra nifandray tamin’ireny andro ireny.”
Tsy naniry ny handray anjara tamin’ny fanao izay aseho amin’ny fomba ratsy aoka izany ao amin’ny Baiboly sy nankalazain’ireo Romana tamin’ny fomba nahatsiravina aoka izany, ireo Kristiana nahatoky tamin’ny taonjato voalohany. Amin’izao andro izao, dia mahatsapa ireo Kristiana tso-po fa anisan’ireo zavatra nosoratana mba ho fianarany ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana. (Romana 15:4). Manalavitra ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana izy ireo satria manome fiheverana tafahoatra olona iray manokana ny fankalazana toy izany. Ny mbola zava-dehibe kokoa, ireo mpanompon’i Jehovah dia manisy fiheverana amim-pahendrena ny fampisehoana feno tsy fankasitrahana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana ao amin’ny Baiboly.
[Sary, pejy 25]
Kianja filalaovana any Kaisaria