FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/6 p. 32
  • Abrahama — Milevina Eto, Nefa Mbola Velona Hoe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Abrahama — Milevina Eto, Nefa Mbola Velona Hoe?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/6 p. 32

Abrahama — Milevina Eto, Nefa Mbola Velona Hoe?

Manao dia mankeo amin’io toerana io ireo Jiosy sy Miozolimanina ary Kristiana, hatramin’ireo taonjato.

Afaka mitsidika azy io ianao any amin’ny tanànan’i Hebrona fahiny, eo atsimon’i Jerosalema. Io rafitra io dia sady antsoina hoe Haram el-Khalil no antsoina koa hoe ny Fasan’ireo Patriarka. Eny, izy io dia eken’ny besinimaro ho ny toerana nandevenana an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba patriarka, ary koa ireo vadiny avy dia i Saraha sy i Rebeka ary i Lea.

Tsarovy avy ao amin’ny Baiboly fa tamin’ny nahafatesan’i Saraha vadiny malala, dia nividy zohy sy tany tao Makpela, akaikin’i Hebrona, i Abrahama mba ho toeram-pandevenana. (Genesisy 23:2-20). Tatỳ aoriana, dia nalevina tao koa i Abrahama, ary koa ireo anisan’ny fianakaviana hafa. Taonjato maro tatỳ aoriana, teo amin’ny manodidina ilay toeram-pandevenana araka ny lovantsofina, i Heroda Lehibe dia nanao fanorenana nampiaiky volana izay novan’ireo mpandresy ara-tafika sy nohalehibiaziny, rehefa nandeha ny fotoana, ka nampiseho taratra tamin’izany ny zavatra ninoany ara-pivavahana manokana.

Rehefa miditra ao ianao, dia mahita cénotaphes (tsangambato na fasana babangoana) enina. Ilay sary kely anatiny dia mampiseho ny an’i Isaka, zanak’i Abrahama. Misy lavaka migorobaka eo amin’ny gorodona, izay nampiasaina mba hidirana tao ambany, eo akaikin’izy io. Nahita efitrefitra izay mety ho nirakitra taolam-paty fahiny be dia be ireo mpanadihady.

Ahoana ny amin’i Abrahama? Raha milevina ao amin’ny zohy ao ambanin’io toerana io izy ankehitriny, dia efa maty ela be izy, sa tsy marina izany? Hanaiky an’izany ny ankamaroan’ireo mpitsidika. Kanefa, nisy mpaminany lehibe noho i Abrahama nilaza fa mbola velona i Abrahama amin’ny heviny iray. Amin’ny fomba ahoana? Ary inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny finoanao?

Vakio aza fady ilay lahatsoratra hoe “Ireo Olon-tianao Nody Mandry — Aiza no Misy Azy Ireo?” (Pejy faha-3). Izy io dia mampiseho izay nolazain’io mpaminany lehibe io momba ny maha-velona an’i Abrahama, fanazavana izay mety hanana hasarobidy goavana ho anao sy ny fianakavianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara