FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/6 p. 3-4
  • Ireo Olon-tianao Nody Mandry — Aiza no Misy Azy Ireo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Olon-tianao Nody Mandry — Aiza no Misy Azy Ireo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Azo Antoka ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Aoka isika haneho finoana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Amin’ny Fomba Ahoana, Aiza, Rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/6 p. 3-4

Ireo Olon-tianao Nody Mandry — Aiza no Misy Azy Ireo?

NIVALAKETRAKA i Alec. Tao anatin’ny herinandro iray, dia namoy ny roa tamin’ireo namany izy. Maty noho ny ratra azony tamin’ny bala ny iray tamin’izy ireo, dia i Nevil. Ilay hafa, i Tony, dia maty tamin’ny lozam-piarakodia. Nampahory an’ilay zazalahy afrikana tatsimo 14 taona izao ireo fanontaniana izay tsy nanahiran-tsaina azy teo aloha. ‘Nahoana no tsy maintsy maty ny olona? Ary inona no mitranga aorian’ny fahafatesana?’, hoy izy nanontany tena.

Teny am-pandehanany handevina an’i Nevil, dia nanantena tamim-pahatsorana i Alec fa hahazo valiny amin’ireo fanontaniana ireo. “Kanefa”, hoy izy nahatsiaro, “ilay pretra dia namaky avy tamin’ny boky iray fotsiny ary nilaza fa nankany an-danitra i Nevil. Avy eo, teo anilan’ny fasana, dia nilaza izy fa miandry ny fananganana amin’ny maty isika. Very hevitra aho. Raha tany an-danitra i Nevil, ahoana no ahafahany miandry fananganana amin’ny maty?”

Taorian’izay, tamin’io andro io ihany, dia nanatrika ny fandevenana an’i Tony i Alec. Natao tamin’ny fiteny izay tsy hain’i Alec ilay fotoam-pivavahana nisy fombafomba. Kanefa, ny fihetsika mampiseho fihetseham-po tafahoatra nasehon’ireo mana-manjo sasany dia nampiaiky an’i Alec fa tsy nisy fampiononana nomena. “Ny alin’io”, hoy ny fanazavany, “dia nalahelo indrindra aho. Nahatsiaro tena ho tsy nanan-kery sy very hevitra aho. Tsy nisy afaka nanome valiny nahafa-po tamin’ireo fanontaniako. Sambany teo amin’ny fiainako vao nanontany tena marina aho raha misy Andriamanitra na tsia.”

Isan-taona, dia an-tapitrisany maro, tahaka an’i Alec, no mamoy olon-tiana amin’ny fahafatesana. “Naneran-tany”, hoy ny fanazavana omen’ny 1992 Britannica Book of the Year, “dia nisy olona 50 418 000 maty tamin’ny taona 1991.” Ary nisy firy tapitrisa ankoatr’izany no maty hatramin’izay? Alao sary an-tsaina ireo ranomaso be narotsak’ireo mbola velona nidonam-pahoriana! Nanampy trotraka ny alahelony ny fahaverezan-kevitra naterak’ireo hevitra mifanipaka momba ny fahafatesana.

Araka izany, tahaka an’i Alec, dia maro no manjary diso fanantenana sy misalasala raha misy na tsia izay mety ho fototry ny fanantenana ny amin’ny fiainan-ko avy aorian’ny fahafatesana. Araka ny voalazan’ny Encyclopedia of Religions, “dia nisy olona nieritreritra, nandritra ireo taonjato rehetra, nihataka tamin’ny besinimaro, (...) ka nisalasala ny amin’ny fomba ahafahan’ny fanahy [âme] na ny ain’ny olona iray hisy any ivelan’ny atidohany sy ny vatany”.

Mahaliana fa manaiky io firaketana eo ambony io fa tsy misy fanohanana avy ao amin’ny Baiboly ilay tsangan-kevitra ara-pivavahana ny amin’ny fisian’ny fanahy (âme) tsy mety maty misaraka amin’ny vatana. Marina fa manisy firesahana ny amin’ny “fanahy [“âme”, NW ]” an’ny olona iray ho toy ny hoe mandao na miverina ao amin’ny faty iray mihitsy aza ny Baiboly ao amin’ny toerana vitsivitsy, kanefa eo amin’ireo ohatra ireo, dia ampiasaina amin’ny heviny hoe “aina”, izay very na azo indray, ny fanahy (âme). (Genesisy 35:16-19; 1 Mpanjaka 17:17-23). Matetika kokoa, ny teny hoe “fanahy âme” dia ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazalazana zavaboary hita maso manana nofo aman-dra, eny, zavaboary velona. (Genesisy 1:20, NW; 2:7, NW ). Koa amin’izany, ny Baiboly dia mamerimberina milaza fa maty ny fanahy (âme). (Ezekiela 18:4, 20; Asan’ny Apostoly 3:23, NW; Apokalypsy 16:3, NW ). Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa rehefa maty ireo fanahy (âme), dia “tsy mahalala na inona na inona” izy ireo. — Mpitoriteny 9:5, 10.

Etsy an-danin’izany, ny Baiboly dia tena mirakitra fitantarana ny amin’ireo olona efa maty ka naverina tamin’ny fiainana. Tamin’izay niseho tamin’i Lazarosy, dia nitranga taorian’ny nahafatesany hefarana izany. (Jaona 11:39, 43, 44). Inona anefa no hitranga amin’ireo olona izay maty efa an-jatony na an’arivony taona maro lasa izay? Moa ve ny fahatsinjovany fiainan-ko avy mitaky ny hananganan’Andriamanitra ilay vatana izay nananany tamin’ny nahafatesany ihany?

Tsia. Tsy mifanaraka amin’izay mitranga amin’ireo ataoma mahaforona ny faty iray ny eritreritra toy izany. Rehefa mandeha ny fotoana, ny sasany amin’ireny ataoma ireny dia raisin’ny zavamaniry izay hohanin’ireo zavaboary hafa rehefa avy eo ary tonga tapany amin’ny vatany.

Midika ve izany fa tsy misy fanantenana ho an’ny olona efa maty ela be? Tsia. Manana fitadidiana mampitolagaga sy tsy manam-petra ny Mpamorona izao tontolo izao midadasika misy antsika. Manana ny fahafahana hitadidy ny maha-izy sy ny toetra mampiavaka nolovana nananan’ireo olona efa maty rehetra izay nofidiny hotsarovana izy, ao anatin’ny fitadidiany lavorary. Ankoatr’izany, i Jehovah Andriamanitra dia manana ny hery hamorona indray vatan’olombelona miaraka amin’ny rafi-pandovan-toetra marin’ny olona iray izay efa niaina teo aloha. Afaka mametraka ao anatin’io vatana io koa ny fitadidiana sy ny maha-izy an’ilay notadidiny izy, toa an’i Abrahama, ohatra.

Kely sisa tsy ho roa arivo taona taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia nanome izao toky izao i Jesosy Kristy: “Mosesy aza nanambara teo amin’ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’. Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” (Lioka 20:37, 38). Ankoatra an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, dia an-tapitrisany maro amin’ireo olona efa maty hafa no velona ao anatin’ny fitadidian’Andriamanitra, ka miandry ny fananganana amin’ny maty ho avy. “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ]”, hoy ny fanamafisan’ny Baiboly. — Asan’ny Apostoly 24:15.

Herinandro vitsivitsy taorian’ny fahoriana nidona taminy, dia nahita ny valin’ireo fanontaniany i Alec. Nitsidika tao an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah iray ary nampiseho azy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fahafatesana sy momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nampahery an’i Alec izany ary nanome heviny vaovao ho an’ny fiainany.

Ho tianao koa ve ny hianatra bebe kokoa momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty mifototra ao amin’ny Baiboly? Ohatra, hitranga any an-danitra sa etỳ an-tany ny ankamaroan’ireo fitsanganana amin’ny maty? Ary inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra sy mba hahitana eo amin’ny fiainany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra mahatalanjona fa mety ho tafaray indray amin’ireo olon-tiany nody mandry ny olona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara