Vaovao Tsara avy Atsy Malawi!
VOASORATRA tamin’ny fomba ofisialy tatsy Malawi, tany afrikanina atsimo-atsinanana, ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 15 Novambra 1993. Hanome ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah fanekena ara-dalàna sy fahafahana hitory ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny olona atsy Malawi izany.
Nanorenana biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tatsy Malawi tamin’ny 1948, mba handrindra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tany io. Nosoratana voalohany tao ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 8 Janoary 1957. Nandritra ny taona maromaro dia nahita fitomboana haingana ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa dia nipoaka tampoka ny fanenjehana nahery vaika tamin’ny 1964. Fa nahoana?
Ho fankatoavana an’Andriamanitra, dia nitana fialanalanana tamin’ny raharaha politika tamin’ny fomba hentitra ny Vavolombelon’i Jehovah. (Jaona 17:16). Miharihary fa tsy nahatakatra tsara izany toerana tanany araka ny Soratra Masina izany ny sasany ka nampiseho tamin’ny fomba diso ny Vavolombelona ho fivavahana manana fiheverana tafahoatra sady mpandika lalàna. Koa amin’izany, dia nahatsiaro tena ho nanana ny rariny ny sasany tamin’ny fanenjehana ireny Kristiana tia fihavanana ireny. Vavolombelona maro no noroahina tamin’ny asany sy nokapohina ary nampietrena tamin’ny fomba hafa. Nosarahina an-tery tamin’ny zanany ny sasany.
Tamin’ny 1972, dia Vavolombelona 30 000 mahery mbamin’ny sasany izay nianatra ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo no voatery nandao ilay tany noho ny tahotra sao hamoy ny ainy. An’arivony maro no nipetraka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tatsy Mozambika, tany mifanila amin’i Malawi. Kanefa, tamin’ny 1975, ireny mpitsoa-ponenana ireny dia naverina tao Malawi, izay naha-voatery azy ireo hiatrika fanenjehana amboniny. Maro no napetraka tany amin’ny toby fitanana. Tao anatin’izany fikorontanana lehibe izany, dia novonoina tao amin’ny lisitra ofisialin’ny fandaminana ara-dalàna tatsy Malawi ny anaran’ny Fikambanana Watch Tower. Hatramin’izay dia voarara ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanany ara-dalàna tao amin’io tany io.
Na dia teo aza ireny fisehoan-javatra rehetra ireny, dia tsy namaly faty ny Vavolombelona. Tsy namorona tabatabam-bahoaka na oviana na oviana izy ireo na nirotaka ho fanoherana ny fitondram-panjakana. Nanao tamim-pahatsorana ny adidiny tamin’ny naha-Kristiana kosa izy ireo, dia ny hanome voninahitra sy hanaja araka ny mety ny “manam-pahefana ambony” ao amin’ny fitondram-panjakana. (Romana 13:1-7, NW; 1 Timoty 2:1, 2). Nanandratra ny fari-pitsipika avo amin’ny fiainana kristiana voalaza ao amin’ny Baiboly koa ny Vavolombelona ary araka izany dia nanome ohatra faran’izay tsara tamin’ny fitondran-tena.
Amin’izao fahafahana azony vao haingana izao, ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Malawi dia tapa-kevitra ny hanohy hitory amim-pahadodonana, “amin’ny vanim-potoana mora”, ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — 2 Timoty 4:2, NW.
[Sary, pejy 31]
I M. G. Henschel, niaraka tamin’ny fianakavian’ny Betela tatsy Malawi, tamin’ireo taona 1960