Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Nanaraka ny Feon’ny Fieritreretany Voavolavolan’ny Baiboly Izy
NIVAVAKA mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah i Davida, mpanjakan’ny Isiraely rehefa nilaza hoe: “Fa izaho kosa dia mandeha amin’ny [tsy fivadihako, NW ]; avoty sy amindrao fo aho.” (Salamo 26:11). Namindra fo taminy tokoa Andriamanitra noho ny nihazonany ny tsy fivadihany. Nitahy an’i Jesosy koa i Jehovah satria nanao ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra izy, ary nitahy ny tanora iray tany Kolombia i Jehovah, dia tanora izay nanaraka ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly ka tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Mitantara toy izao io tovolahy io:
“Rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia mbola mpianatra tao amin’ny sekoly katolika iray. Kanefa nanelingelina ahy ny feon’ny fieritreretako rehefa nanatrika ny Lamesa aho, koa nandeha tany amin’ny talen’ny sekoly (izay pretra) aho, sy tany amin’ny mpanome fitarihana sy torohevitra ny mpianatra ary tany amin’ny lehiben’ny kilasinay, nangataka mba homen-dalana tsy hanatrika ny Lamesa. Na dia nomen-dalana aza aho, dia nisy olona vitsy nanandrana nanery ahy hanatrika izany. Nitombo avy hatrany ny fanerena taorian’ny batisako tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah. Nandrahona ny handroaka ahy hiala ny trano ny raiko raha toa ka voaroaka tao an-tsekoly aho. Ny tao an-tsainy dia ny fianarana tany amin’ny oniversite sy ny asa manokana iray fidina hatao eo amin’ny fiainana ho ahy.
“Nanome fampitandremana niverimberina ny tale nikasika izay olona na iza na iza tsy nitandrina ireo adidy ho an’ny Katolika. Rehefa tonga ny fotoana ho an’ny Lamesa voalohany amin’ny taona, dia niafina aho mandra-pifaran’izy io. Avy eo dia nomeko ilay bokikely hoe Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpampianatra (pretra iray) ary nilazako izy fa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah dia tsy afaka nanatrika Lamesa aho. ‘Tsara kokoa ny hanombohanao hitady sekoly hafa’, hoy izy. Fantatro fa hidika ho fandroahan’ny raiko ahy avy tao an-trano ny hoe hahavoaroaka ahy tao an-tsekoly. Kanefa dia nivavaka tamin’i Jehovah aho ary nanohy nanao fanambarana feno tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko.
“Tonga ny fotoam-pialan-tsasatra. Dia niverina tany an-tsekoly indray taorian’ny fialan-tsasatra ary teo indray ny fotoana ho an’ny Lamesa. Teo ivelan’ilay trano fivavahana kely ny tale sy ireo pretra hafa, vonona hihaino ireo konfesy. Saiky resin’ny tahotra aho. Niditra aho ary nipetraka, kanefa nanelingelina ahy ny feon’ny fieritreretako. Rehefa nanomboka ny fihirana dia hoy aho nisaintsaina: ‘Inona no ataoko eto? I Jehovah no Andriamanitro. Tsy afaka ny ho kanosa aho ka hamadika azy. Tsy afaka ny hamela azy aho. Tsy handao ahy izy.’ Nivavaka aho mba hahazoana herim-po. Avy eo dia nandeha nivoaka ilay trano fivavahana kely aho ary nijoro teo amin’ny laharan’ireo hikonfesy. Rehefa tonga teo amin’ny tale aho dia nilaza taminy hoe: ‘Tsy tonga mba hikonfesy aho, ramose.’ Hoy izy: ‘Izany koa no noeritreretiko.’ Nolazaiko taminy fa vonona hiaritra ny vokany aho kanefa tsy namela ahy handray anjara amin’ny Lamesa ny feon’ny fieritreretako. Tsy afaka nanao zavatra nifanohitra tamin’izay nianarako tao amin’ny Baiboly aho.
“Nibanjina ahy izy dia nitsiky ary nilaza hoe: ‘Midera anao aho. Mendrika hoderaina ianareo Vavolombelona rehetra. Aminareo dia Andriamanitra no voalohany, ary vonona hankato ny lalàny ianareo na inona na inona hitranga. Tohizo hatrany izany. Tena tsara ny ataonareo. Iriko ho tahaka anareo ny Katolika rehetra ka haneho zotom-po sy fitiavana an’Andriamanitra toy izany. Manomboka izao dia omena lalana tsy handray anjara amin’ireo fanompoam-pivavahanay ianao.’ Toy inona moa ny hafaliako! Nitahy ny fahatapahan-kevitro hankato ny feon’ny fieritreretako voavolavolan’ny Baiboly i Jehovah.
“Hoy ilay tale tamin’ny mpianatra ny ampitson’iny: ‘Misy fivavahana hafa alohantsika. Nahoana no tsy tahaka azy ireo isika ka ho be zotom-po, hanana fitiavana lalina an’Andriamanitra sy faniriana hanompo azy ambonin’ny hafa rehetra? Izany dia zavatra tokony ho ao am-pontsika.’
“Tamin’ny farany dia nafindra toerana tany Roma ilay tale, ary tsy niraharaha fotsiny izao ny amin’ny tsy fandraisako anjara ilay tale vaovao. Niala tao an-trano ny raiko ka izany dia nanome fahafahana ahy hanatratra ny zava-kendreko dia ny fanompoana manontolo andro raha vao nahazo ny diplaomako aho.”
Nitahy io tanora nanaraka ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly io i Jehovah. Hitahy toy izany koa izay rehetra miezaka manao ny sitrapony izy. — Ohabolana 3:5, 6.