Manome Fahafaham-po Amin’izay Ilainao ve ny Fivavahana?
RIVOTRA, rano, sakafo sy fialofana: ireo dia ekena manerana izao rehetra izao fa zavatra ilain’ny olombelona. Raha tsy misy azy ireo, dia miatrika tsy fahampian-javatra tena ilaina sy fahafatesana ianao. Efa ela be lasa anefa izay, i Mosesy, ilay mpitarika isiraelita dia nisarika ny saina ho amin’ny zavatra hafa ilain’ny olombelona, dia zavatra mbola lehibe kokoa aza noho ny sakafo na ny rano. Hoy i Mosesy: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa [ny teny, NW ] rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” — Deoteronomia 8:3.
Tamin’ireo teny lalina ireo no nampisehoan’i Mosesy ny maha-zava-dehibe ny hanomezantsika fahafaham-po amin’izay ilaintsika ara-pivavahana na ara-panahy. Nambarany fa ny fiainantsika mihitsy dia miankina amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izy ireny! Nandritra ny dian’izy ireo tany an-efitra naharitra 40 taona dia nivelona ara-bakiteny tamin’ny ‘teny naloaky ny vavan’i Jehovah’ ny Isiraelita. Tafita velona izy ireo tamin’izay tokony ho fisehoan-javatra hitarika ho amin’ny fahafatesana, raha tsy izany. Noho ny baikon’Andriamanitra, dia nilatsaka tamin’ny fomba nahagaga, avy tany an-danitra, ny sakafo iray nomena anarana hoe mana. Nivoaka avy tamin’ny harambato ny rano mba hanala hetaheta azy ireo. Kanefa Andriamanitra dia nanao mihoatra noho ny fikarakarana ny zavatra nilain’izy ireo ara-batana. Hoy i Mosesy: “Tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’i Jehovah Andriamanitrao anao.” — Deoteronomia 8:4, 5; Eksodosy 16:31, 32; 17:5, 6.
Tsy navela hanao zavatra tsy nisy fanampiana ny Isiraelita raha ny amin’ny famaritana izay marina na diso teo amin’ny ara-pitondran-tena na ara-pivavahana. Nandray fitarihana avy tamin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy izy ireo. Nomeny azy ireo ny Lalàn’i Mosesy, dia fitambaran-dalàna niavaka izay nanolotra filazalazana momba ny sakafo mahasalama sy fitambaran-dalàna nahakasika ny fahasalamana ary fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana mahasoa. Noho izany, Andriamanitra dia nampiroborobo ny fahasalamana sy ny toe-piainana ara-panahin’ny Isiraely. Nivelona tamin’ny ‘teny naloaky ny vavan’i Jehovah’ izy ireo.
Araka izany, dia samy hafa tanteraka tamin’ireo firenena hafa ny Isiraely. Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nanapaka tamin’ny naha-herim-panjakana voalohany azy i Egypta. Tany iray tena tia fivavahana izy io. Hoy ny World Book Encyclopedia: “Nino ireo Egyptiana fahiny fa nanan-kery teo amin’ny endriky ny zavaboary rehetra sy ny asan’ny olombelona rehetra ireo andriamanitra samihafa (andriamanitra sy andriamani-bavy). Noho izany, dia nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanitra maro be izy ireo. (...) Tany amin’ny tanàn-dehibe sy tanàna egyptiana tsirairay, ny olona dia nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamaniny manokana ho fanampin’ny fanompoana ireo andriamanitra lehibe.”
Moa ve io fanompoam-pivavahana natao tamin’ny andriamanitra maro be io nanome fahafaham-po tamin’izay nilain’ny Egyptiana ara-panahy? Tsia. Nanjary tany iray latsaka lalina tao amin’ny finoanoam-poana sy ny fanao nietry teo amin’ny lahy sy ny vavy, i Egypta. Tsy nampiroborobo velively ny fiainana sy ny fahasalamana ny fomba fiainan’ny Egyptiana fa nitarika kosa ho amin’ny ‘aretin-dratsy’. (Deoteronomia 7:15). Tsy mahagaga àry raha niresaka tamim-panamavoana momba ireo andriamanitr’i Egypta ny Baiboly, tamin’ny fiantsoana azy ireo hoe “sampy maharikoriko”. — Ezekiela 20:7, 8, NW.
Misy tarehin-javatra mitovy amin’izany amin’izao andro izao. Manana karazana finoana ara-pivavahana sasany fara fahakeliny ny ankamaroan’ny olona; vitsy no hiantso ny tenany ho tsy manaiky andriamanitra iray. Miharihary, anefa, fa ny fivavahana amin’ny ankapobeny dia tsy nanome fahafaham-po tamin’izay nilain’ny taranak’olombelona eo amin’ny ara-panahy. Hisy ve amin’izao andro izao ny zava-manahirana momba ny ady, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny mosary sy ny fahantrana mihamahazo vahana raha mivelona marina “amin’ny teny rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah” ny olona? Mazava ho azy fa tsia! Na dia izany aza, dia vitsy ireo olona hihevitra ny hiova fivavahana. Ny sasany aza tsy vonona mihitsy ny hiresaka momba ny fivavahana na haneho fiheverana an’ireo hevitra vaovao ara-pivavahana!
Ohatra, ny lehilahy iray atsy Ghana, Afrika Andrefana, dia nilaza toy izao tamin’ny mpitory kristiana iray: “Mino aho fa Andriamanitra dia nampahafantatra ny tenany taminay Afrikana tamin’ny alalan’ireo mpisorona sy mpisorona vavy mahery, toy ny nampahafantarany ny tenany tamin’ireo Jiosy tamin’ny alalan’ny mpaminanin’izy ireo. Mampalahelo fa ny sasany aminay Afrikana dia tsy manaiky ireo mpisoronay fa miresaka an’i Jesosy, i Mahomet sy ny hafa koa.”
Any amin’ny fitambaran’olona afrikana maro be mpitana ny fanaon-drazana, dia raisina ho fivavahan’ny fotsy hoditra ny Kristianisma — rafitra nampidirina tatsy Afrika ary niteraka fanimbana aza fa tsy voka-tsoa. Kanefa, moa ve ny fahateren-tsaina hanampy sa hanakana ireo ezaka hataonao mba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilainao ara-panahy? Hoy ny ohabolana afrikana iray: “Tsy indray atsobokao ao anaty lovia tsatokaty misy sakafo ny tananao roa satria fotsiny hoe noana ianao.” Sady mampiseho tsy fahalalam-pomba no mampidi-doza ny fahazarana misakafo toy izany — indrindra raha tsy fantatrao izay ao anatin’ilay lovia tsatokaty! Kanefa, maro ny olona mifidy ny fivavahany, tsy miorina amin’ny fandinihana amim-pitandremana, fa miorina amin’ny fihetseham-po na ny fanao ao amin’ny fianakaviana.
Ny fanompoam-pivavahana izay manome fahafaham-po amin’izay ilainao ara-panahy dia tokony ho “fanompoana masina omban’ny herin’ny fisainanao”. (Romana 12:1, NW ). Tokony ho safidy miorina amin’ny fahalalana sy natao tamin’ny saina matsilo izy io. Noho izany dia aoka isika handinika ilay raharaha sarotra momba ny fifidianana ny fivavahan’ny tena miainga avy amin’ny fomba fihevitra afrikana. Izay hanaraka eto anefa dia hahaliana ireo mpamaky na aiza na aiza misy azy.
[Sary, pejy 3]
Nampiseho ny maha-zava-dehibe ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilaintsika ara-panahy i Mosesy
[Sary, pejy 4]
Ny zavatra niainan’i Afrika niaraka tamin’ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nampihidy ny sain’ny sasany tamin’ny Baiboly