Sarobidy Kokoa Noho ny Voahangy
Mpitsidika mitombo isa hatrany no mientam-po amin’ny fampisehoana toy itỳ anaty ranon’ny Ranomasina Mena itỳ.
Ireo trondro tsy tambo isaina misy loko sy ambaratongan-doko maro isan-karazany dia mahasondriana an’ireo izay milomano amin’ny rano manganohano. Diniho anefa fa, manodidina ilay trondro feno loko hita eto, dia misy fampisehoana zava-mahatalanjona ambany ranomasina hafa iray manintona ny maso, anisan’izany ireo voahangy (akorandriaka) miloko mamirapiratra.
Ireo voahangy tsara tarehy dia hita amin’ny endriny sy lokony maro. Araka ny azonao an-tsaina, na dia tamin’ny andro fahagola aza, dia nankafizina fatratra ireo voahangy meva sy mirenty. Avy amin’ireny no nanamboaran’ireo mpanao asa tanana firavaka kanto, ary ireo mpanoratra ny Baiboly dia nanisy fitenenana ny amin’ny voahangy niaraka tamin’ny volamena sy volafotsy ary ny robina (rubis). (Ohabolana 3:14, 15; Ezekiela 27:16). Ireo mpanoratra ireo anefa dia manampy antsika hijery mihoatra noho ny hakanto sy ny hasarobidin’ireo voahangy ireo fotsiny.
Asongadin’izy ireo fa misy zavatra sasany sarobidy lavitra sy tokony hankamamintsika fatratra kokoa. Ny vehivavy tsara sy mahay no iray amin’izany, satria izao no vakintsika: “Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.” (Ohabolana 31:10). Lehilahy manambady ve ianao? Jereo indray ireo voahangy kanto eto, ary mieritrereta raha mankasitraka ny vadinao araka ny mendrika azy ianao.
Na lehilahy isika na vehivavy, na manambady na mpitovo, ny fahitana voahangy tsara tarehy dia tokony hanampy antsika hankasitraka ilay fahamendrehana lehibe lavitra, dia ny an’ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka ary ny fahalalana araka an’Andriamanitra. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana [“fahaiza-manavaka”, NW ]. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.” — Ohabolana 3:13-15; 8:11.
Koa na mahita azy ireo isika rehefa milomano na amin’ny alalan’ny sary, ireo voahangy ao amin’ny Ranomasina Mena dia tokony hampita amintsika hakanton-javatra sy zavatra mahasoa hoeritreretina.