FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/3 p. 32
  • Alina Iray Tokony Hotsarovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Alina Iray Tokony Hotsarovana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/3 p. 32

Alina Iray Tokony Hotsarovana

TAMIN’NY andro iray tsy hay hadinoina, maherin’ny 3 500 taona lasa izay, ireo Isiraelita nandevozina tany Egypta dia nasain’i Jehovah Andriamanitra namono zanak’ondry sy nanatentina ny rany teo amin’ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny tranony. Tamin’io alina io indrindra, ny anjelin’Andriamanitra dia nandalo ny trano voaisy marika toy izany, nefa kosa dia namono ny lahimatoa tao amin’ny tranon’ny Egyptiana rehetra. Nafahana ny Isiraelita taorian’izany. Nanomboka teo ireo Jiosy dia nankalaza ny Paska amin’ny fitsingerenan’io fisehoan-javatra io.

Raha vantany vao avy nankalaza ny Paska farany niarahany tamin’ireo apostoliny i Jesosy Kristy dia nanorina sakafo iray izay hampahatsiaro ny nahafatesany ho sorona. Nanolotra mofo an’ireo apostoliny nahatoky izy ary nilaza hoe: “Raiso, hano, ity no tenako.” Natolony azy avy eo ny kapoaka nisy divay ary hoy izy: “Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” Hoy koa i Jesosy: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” (Matio 26:26-28; Lioka 22:19, 20, NW ). Koa nodidian’i Jesosy àry ireo mpanara-dia azy mba hitana io fankalazana ny nahafatesany io.

Manasa anao amin-kafanam-po ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-mankalaza aminy io Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy io. Azonao atao ny manatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra ny tranonao. Hamarino miaraka amin’ireo Vavolombelona eo an-toerana ny amin’ny ora sy ny toerana marina. Ny datin’ny fankalazana amin’ny 1994 dia ny asabotsy 26 Martsa. Ny mofo sy ny divay dia haroso aorian’ny filentehan’ny masoandro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara