Fanontanian’ny Mpamaky
Nampitandrina an’i Kaina Andriamanitra fa ‘namitsaka teo am-baravarana ny ota; ary izy no nokendren’ny faniriany’, ka izany dia toa miresaka ny amin’ny biby dia iray sy ny remby harapany. (Genesisy 4:7). Nahoana no nampiasaina io fitenenana io, nefa talohan’ny Safodrano dia tsy nihinana afa-tsy zavamaniry ny biby?
Ao amin’ireo boky nosoratan’i Mosesy, dia ahitantsika andininy maromaro izay mampiseho zava-nisy na fizotran-javatra ara-tantara izay nety ho toa hafahafa sy tsy nifanaraka tamin’ny faritra ara-tantara nisy azy.
Ohatra, ny fitantarana ao amin’ny Genesisy 2:10-14 dia manome tsipiriany ara-jeografia momba ny sahan’i Edena. Nanoratra i Mosesy fa ny renirano iray dia ‘nandeha tandrifin’i [“teo atsinanan’i”, NW ] Asyria’. Kanefa ny tanin’i Asyria dia nahazo ny anarany avy tamin’i Asyra, zanakalahin’i Sema teraka taorian’ny Safodrano. (Genesisy 10:8-11, 22; Ezekiela 27:23; Mika 5:5). Miharihary amin’izany fa i Mosesy, tao amin’io fitantarany araka ny marina sy ara-tsindrimandry io, dia nampiasa fotsiny ny teny hoe “Asyria” mba hanondroana faritra iray izay fantatry ny mpamaky ny bokiny tsara.
Diniho ny ohatra hafa iray hita ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Genesisy. Taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva ka nandroahana azy hiala tao amin’ny saha, dia nisakana azy ireo tsy hiverina tao i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Milaza toy izao ny Genesisy 3:24: “Noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina.” Mariho ny hoe “lelafon’ny sabatra mihebiheby”. Moa ve Andriamanitra namorona ny sabatra?
Tsy voatery hanatsoaka hevitra isika fa ny Mpamorona antsika be fitiavana no voalohany nanao ilay fantatsika hoe sabatra. Nahita zavatra nidedadeda iray nihodinkodina teo anoloan’ny anjely i Adama sy i Eva. Inona marina izy io? Tamin’ny fotoana nanoratan’i Mosesy ny bokin’ny Genesisy, dia fantatra tsara ny sabatra ary nampiasaina tamin’ny ady. (Genesisy 31:26; 34:26; 48:22; Eksodosy 5:21; 17:13). Ireo tenin’i Mosesy hoe “lelafon’ny sabatra mihebiheby” àry dia nanampy an’ireo mpamaky ny bokiny haka sary an-tsaina izay nisy teo amin’ny fidirana tao Edena. Ny zava-nisy fantatra tamin’ny andron’i Mosesy dia nanampy mba hahatakarana zavatra toy izany. Ary ny fomba fitenenana nampiasain’i Mosesy dia tsy maintsy ho araka ny marina, satria nasain’i Jehovah nampidirina tao amin’ny Baiboly izany. — 2 Timoty 3:16.
Ahoana àry izao ny amin’ny Genesisy 4:7? Tao dia nampitandrina an’i Kaina toy izao Andriamanitra: “Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” Araka ny voamarika eo, ilay fomba fitenenana dia toa mampahita sary an-tsaina biby dia iray noana izay mamitsaka mba hiantsambotra eo amin’ny remby ka handrapaka azy.
Na dia izany aza, ny porofo hita ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa niara-nonina tamim-piadanana tamin’ny biby rehetra i Adama sy i Eva. Ny sasany tamin’ireo zavaboary dia nety ho finaritra mihitsy teny amin’ny manodidina ny olombelona teny, ka angamba aza nandray soa tamin’ny fitoerana teny akaikiny. Ny hafa dia biby dia, izany hoe biby izay nifidy, araka ny lalàn’ny natiora, fonenana lavitra ny olombelona. (Genesisy 1:25, 30; 2:19). Kanefa ny Baiboly dia tsy manome hevitra akory fa nisy biby, niremby biby hafa na olombelona. Tany am-boalohany Andriamanitra dia namaritra mazava tsara fa ny zavamaniry no ho sakafon’ny olona sy ny biby. (Genesisy 1:29, 30; 7:14-16). Tsy niova izany raha tsy taorian’ny Safodrano, araka ny asehon’ny Genesisy 9:2-5.
Ahoana àry ny amin’ny fampitandremana nomen’Andriamanitra an’i Kaina, araka izay vakintsika ao amin’ny Genesisy 4:7? Azo antoka fa ny sarin’ny biby dia iray mamitsaka sy vonona ny hiantsambotra amin’ny remby dia ho mora takatry ny saina tamin’ny andron’i Mosesy, ary takatsika koa izany. Eo indray koa àry i Mosesy dia nety ho nampiasa fomba fitenenana nifanentana tamin’ireo mpamaky nahafantatra tsara ny tontolo taorian’ny Safodrano. Ary na dia mbola tsy nahita zavaboary toy izany mihitsy aza i Kaina, dia ho afaka ny hahatakatra ny tiana holazaina tamin’ilay fampitandremana izay nampitaha ny fanirian-dratsy tao aminy tamin’ny biby iray noana, may ny handrapaka.
Ireo lafin-javatra lehibe indrindra izay tokony hisy heriny kokoa eo amintsika dia izao: ny hatsaram-panahin’Andriamanitra tamin’ny fampitandremana an’i Kaina, ny hasarobidin’ny fanekena torohevitra amim-panetren-tena sy ny fahafahan’ny fialonana manimba mora foana olona iray ary ny tokony handraisantsika tsara ireo fampitandremana hafa izay omen’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ho antsika. — Eksodosy 18:20; Mpitoriteny 12:12; Ezekiela 3:17-21; 1 Korintiana 10:11; Hebreo 12:11; Jakoba 1:14, 15; Joda 7, 11.