FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/1 p. 32
  • Tahaka ny Paoma Volamena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tahaka ny Paoma Volamena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/1 p. 32

Tahaka ny Paoma Volamena

PAOMA — endre fa mahafinaritra ny maso sy ny ao am-bava erỳ izy ireny! Mampiasa io voankazo fy io ny Baiboly ao amin’ny fanoharana mampieritreritra iray rehefa milaza izy hoe: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11). Inona no tian’izany hambara?

Ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra” dia mety hilaza asa sokitra toy ny vilia be talesaka volafotsy misy voankazo volamena eo amboniny. Koa satria ireo andininy eo aloha kokoa ao amin’io toko io miresaka ny amin’ny fanatonana mpanjaka, dia mety ho nanondro fanomezana natao ho an’ny mpanapaka iray io andininy io — ravaka vita tamin’ny volamena nanana endrika paoma napetraka teo ambonin’ny vilia be talesaka volafotsy. (Ohabolana 25:6, 7). Tena manaitra sy tsara tarehy tokoa izany!

Manana hatsaran-tarehy mitovy amin’izany koa ireo teny mifanentana sy mendri-kaja ary atao amin’ny fotoana mety, na soratana na tenenina. Mahafinaritra sy mampahery ary mahasoa amin’ny fomba maro izy ireny. Ny teny nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly indrindra no tahaka ny “poma volamena” tsara tarehy “ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”.

Araka ny asehon’ny tenin’i Solomona Mpanjaka hendry ao amin’ny Ohabolana 25:11, izy dia “nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana”. (Mpitoriteny 12:10; Ohabolana 25:1). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanoratra toy izao i Paoly apostoly kristiana: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sy mahasoa”. (2 Timoty 3:16, NW ). Eny, ny Baiboly dia mirakitra torohevitra sy faminaniana ary teny mamoha sary an-tsaina mahasoa, ary fahamarinana mamirapiratra sy kanto aoka izany, hany ka mihoatra lavitra noho ireo asa vitan’ireo mpanao asa tanana mahay indrindra izy ireny. Ankoatr’izany, na iza na iza mahazo fahendrena avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia mahazo harena tsy voavidim-bola sy afaka mihazona ny fanantenana fiainana mandrakizay. — Ohabolana 4:7-9; Jaona 17:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara