Afaka Mitondra Soa ho Anao ve Izy Ireo?
Itỳ gazety eo am-pelatananao itỳ dia kendrena ho loharanom-pampaherezena, amin’ny fampahatsiahivana ireo torolalana avy ao amin’ny Baiboly mba tsy hampihilangilana ireo fianakaviana sy mba hihazonana ny tsy fivadihan’ny tena manokana. Asehony fa ireo fotoan-tsarotra ankehitriny dia efa voambara mialoha ao amin’ny Baiboly, ary asongadiny ny ala olana — ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Afaka mandray soa avy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny Mifohaza!, gazety namany, ve ianao?
Nanoratra toy izao ny vehivavy iray antsoina hoe Vilma, avy any Philippines: “Raha misy teny azo ilazalazana ireo zavatra vita an-tsoratra avoakanareo, dia heveriko fa hifidy ny hoe ‘mahatalanjona’ aho. Nahita sy namaky voalohany ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana avoakanareo aho rehefa tao anaty fiarambahoaka teny an-dalam-podiana avy tany Manille. Mivimbina gazety mandrakariva aho rehefa manao dia, kanefa tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia tsy nitondra aho.
“Nipetraka teo anilako tamin’ilay dia ny lehilahy efa zokinjokiny iray izay nanana ireo zavatra vita an-tsoratra avoakanareo. Rehefa avy namaky ny Mifohaza! izy, dia namoaka gazety hafa, Ny Tilikambo Fiambenana. Nanararaotra ilay fahafahana aho mba hindramana ilay Mifohaza! Tena nahafinaritra ahy tokoa ny famakiana ireo gazety ireo satria mahaliana sy ara-potoana ary manorina avokoa ireo lahatsoratra.”
Namarana toy izao ilay vehivavy: “Tiako ny hahazo ireo gazetinareo. Ampahafantaro ahy aza fady ny fomba mety hahazoako azy ireo.” Faly ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines nanana ny tombontsoa nanampy teo amin’ny lisitry ny fandefasana gazety amin’ny alalan’ny paositra, ny anaran’io vehivavy io.