Ireo Kristiana Be Zotom-po any Angletera
Latsaka ny 10 isan-jaton’ny mponina 56 tapitrisa any Angletera no Kristiana be zotom-po ankehitriny, araka ny voalazan’ny The Economist. Amin’ny andro alahady mahazatra iray, dia vitsy kokoa noho ny efatra tapitrisa ny olona manatrika fotoam-pivavahana any amim-piangonana. Amin’izy ireny, dia 1,1 tapitrisa monja no Anglikanina. Na dia miely patrana aza anefa ny agnosticisme (fisalasalana ny amin’ny fisian’Andriamanitra), ny Fiangonan’i Angletera dia mbola mitana ny toerana nanorenana azy amin’ny maha-fivavaham-panjakana ihany. “Tsy fitambaran’olona kristiana iray i Angletera hatramin’ny taona maro nefa mandà ny hanaraka ny agnosticisme, indrindra noho ny fanembonana ny lasa”, hoy ny fanantitranteran’io gazetiboky io. Tsy mahagaga loatra raha toa ireo mpanao politika sy ireo mpanao gazety amin’ny andro ankehitriny ka mitaky ny fanesorana ny toerana tanan’ny Fiangonana sy ny tombontsoany, fahatapahan’ny fifandraisan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana.
“Ny tontolo iray izay araka an’izao tontolo izao raha ny marina, izay mihambo ho Kristiana, no faran’izay ratsy amin’ny tontolo rehetra”, hoy ny fitarainana nataon’i Walter Bagehot, mpampanonta ny The Economist tamin’ny taonjato faha-19. Kanefa, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. dia nilaza i Jesosy Kristy fa ireo mpianany dia ‘tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Azy tsy naman’izao tontolo izao’. (Jaona 17:16). Kanefa, izy dia naniraka azy ireo ho amin’izao tontolo izao, mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia fanta-daza noho ny fitoriany amin-jotom-po ‘eo imason’olona ary isan-trano’. — Asan’ny Apostoly 20:20.
Raha ampitahaina amin’ireo Anglikanina dia vitsy an’isa ireo Vavolombelona 126 173 any Angletera. Mandany 20 ora isam-bolana anefa izy ireny anatrehana ireo fivoriana kristiana. Fanampin’izany, nandritra ny taona 1992, ny Vavolombelona tsirairay dia nandany 16 ora amboniny isam-bolana tamin’ny antsalany, nanambarana tamin’ny hafa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay fitondram-panjakana izay hanorina tsy ho ela tontolo vaovao iray hanjakan’ny rariny. (Matio 24:14, NW; 2 Petera 3:13). Amin’ny fotoana manaraka hitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tranonao, hohenoinao ve ny hafatra miavaka hoentiny ka ho hitanao hoe inona no manosika ny zotom-pony?