Omena Vidiny Be Loatra ve ny Fampidiran-dra?
Mahazatra eo amin’ny fitsaboana maoderina ny fampidiran-dra, kanefa tsara araka ny laza omena azy ve izy io? Ahoana ny hevitrao?
Nanao fanontaniana toy izao tao amin’ny The American Journal of Medicine (Febroary 1993) ny Dr. Graig S. Kitchens: “Omena Vidiny Be Loatra ve ny Fampidiran-dra?” Nomarihiny fa matetika ireo dokotera dia mandinika amim-pitandremana mba hahafantarana raha betsaka kokoa noho ny loza mety haterany ny soa azo amin’ny fitsaboana iray. Ahoana ny amin’ny fampidiran-dra?
Nodinihin’i Kitchens indray ny porofo vao haingana ny amin’ireo loza maro mifandray amin’ny fampidiran-dra, toy ny hépatite, ny fahasimban’ny rafi-kery fanefitra (système immunitaire) sy ny faharatsian’ny fiasan’ny taova ary ny aretina vokatry ny fanarian’ny vatana izay mety ho tenan-javatra vahiny tafiditra ao aminy. Ny fandinihana iray namintina filazana “ny amin’ireo fanampin’aretina tsy tambo isaina” azo avy amin’ny fampidiran-dra dia “nanatsoaka hevitra fa ny fampidiran-dra tsirairay dia nanana fahafahana ankapobeny 20% hanome vokany ratsy ka ny sasany amin’izany madinika fa ny hafa kosa tena manimba”, mahafaty mihitsy aza.
Manamarina ny fisetrana loza toy izany ve anefa ireo heverina fa soa entin’ny fampidiran-dra?
Nodinihin’i Dr. Kitchens indray ireo famotopotorana 16 nanaovana tatitra nahatafiditra fandidiana Vavolombelon’i Jehovah 1 404 izay tsy nanaiky fampidiran-dra ho fankatoavana ny fandidian’ny Baiboly ‘hifady ny ra’. — Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
Inona no vokany? “Ny fanapahan-kevitr’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah hifady ny fampidiran-dra amin’ireo fandidiana lehibe dia niharihary ho nanampy fahafatesana 0,5% ka hatramin’ny 1,5% tamin’ny loza mpitranga amin’ny fandidiana amin’ny ankapobeny. Tsy mazava tahaka izany ny habetsahan’ny aretina sy ny fahafatesana voasoroka noho io fifadiana ny fampidiran-dra io, kanefa azo inoana fa mihoatra noho ny loza ateraky ny tsy fampidiran-dra ny tahan’ny aretina sy ny fahafatesana voasoroka.” (Sora-mandry nataonay). Inona no hevitra tiany haseho? Azo inoana fa ny loza momba ny fitsaboana ateraky ny fandavana ny ra dia kely kokoa noho ireo loza entin’ny fanekena fampidiran-dra.
Noho izany, dia toy izao ny fanontaniana mampiseho fahazavan-tsaina nataon’i Kitchens: “Raha mahatonga aretina sy fahafatesana kely dia kely marina ny tsy fampidiran-dra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary misoroka fandaniana sy fanampin’aretina mitaiza betsaka, tokony ho vitsy kokoa ve ny fampidiran-dra eo amin’ireo marary?”
Ireo tsy manaiky fampidiran-dra miorina amin’ny porofo toy izany dia hanao zavatra mifanaraka amin’ny toromarika nomen’ny Mpamorona antsika koa.