Efa Nanomboka Doro Tanety ve Ianao?
MAZAVA HO AZY FA TSIA, hoy ianao. Nefa andraso ange! Angamba efa nanao izany ianao. Henoy izao tenin’i Jakoba mpianatra izao: “Ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!” — Jakoba 3:5.
Ny lela dia taova iray tena ilaina mba hahafahana miteny, nefa nampiasaina tamin’ny fomba tsy mety toy inona moa izy io! Mampiasa ny lela ny olona mba handaingana sy hanendrikendrehana. Izy io no entiny manakiana mafy ny hafa sy manimba ny lazany ary manambaka azy ireny. Mampiasa ny lela ireo mpanao kabary ambony vavahady mba hampirisihana fikomiana. Nampiasa azy io i Adolf Hitler mba hanomanana firenena iray ho amin’ny ady — tena ‘doro tanety’ tokoa!
Na dia ireo manana antony manosika tsara aza dia afaka ny hampisy ‘doro tanety’ kely. Efa nilaza zavatra iray ve ianao ary avy eo dia naniry avy hatrany ny tsy ho afaka nilaza izany? Raha izany no izy, dia takatrao izay tian’i Jakoba holazaina rehefa niteny izy hoe: “Tsy misy olona mahafolaka ny lela”. — Jakoba 3:8.
Na dia izany aza, dia afaka miezaka isika mba hampiasa ny lelantsika ho amin’ny tsara. Sahala amin’ny mpanao salamo, dia afaka ny hilaza amim-pahatapahan-kevitra isika hoe: “Hitandrina ny làlako aho ka tsy hanota amin’ny lelako”. (Salamo 39:1). Toy izay hanakiana mafy ny hafa, dia afaka miezaka kosa isika mba hampahery azy ireo. Toy izay hanendrikendrika olona, dia afaka miresaka zavatra tsara momba azy ireo isika. Toy izay hisoloky na hamitaka, dia afaka milaza ny marina sy manoro hevitra isika. Rehefa atosiky ny fo tsara ny lela, dia afaka milaza teny manasitrana mahatalanjona. I Jesosy dia nampiasa ny lelany tamin’ny fomba nampitolagaga mba hampianarana ny olombelona momba ny famonjena.
Marina tokoa fa “ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela”. (Ohabolana 18:21). Mitondra fahafatesana ve sa manome fiainana ny lelanao? Manomboka ‘doro tanety’ ve izy io sa mamono izany? Nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao ny mpanao salamo: “Hihira ny teninao ny lelako, fa marina ny didinao rehetra.” (Salamo 119:172). Raha mamboly toe-tsaina toy ny an’ny mpanao salamo isika, dia hampiasa ny lelantsika ho amin’ny tsara koa.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
U.S. Forest Service photo