FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/9 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Romanina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hazòny Hamirapiratra Hatrany ny ‘Fanantenanao Famonjena’!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Hamaly ny Fitiavan’i Jesosy ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Izao no Andro Famonjena!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/9 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 9:3: “Efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo”. Te hilaza ve izy tamin’izany fa ho nanao sorona ny ainy izy mba hamonjena ireo Jiosy toa azy?

Namela ny ohatra ambony indrindra ny amin’ny fitiavana i Jesosy. Vonona ny hanolotra ny fanahiny (âme), na ainy, ho an’ny olombelona mpanota izy. Nandritra ny fanompoany ampahibemaso, dia nikely aina ho an’ireo mpiray firenena — Jiosy — taminy izy mba ho betsaka araka izay azo atao ireo anisan’izay handray soa avy amin’ny sorom-panavotany. (Marka 6:30-34). Ny tsy faneken’izy ireo sy ny fanoherany ilay hafatra momba ny famonjena dia tsy nampihena na oviana na oviana ny fiahian’i Jesosy tamim-pitiavana ny vahoaka jiosy. (Matio 23:37). Ary namela ‘fianarana ho antsika izy, mba hanarahantsika ny diany’. — 1 Petera 2:21.

Afaka manaraka ny oha-pitiavan’i Jesosy ve ny olombelona tsy tanteraka? Eny, ary afaka mahita ohatra ny amin’izany isika eo amin’ny apostoly Paoly. Niahy aoka izany ny amin’ireo Jiosy nitovy taminy izy, hany ka, noho ny fitiavana azy ireo, dia nilaza izy fa niriny “ho voaozona ho afaka tamin’i Kristy” mihitsy ny tenany ho azy ireo.

Teo i Paoly dia nampiasa karazana teny fanitarana, na fampitomboana fomba filaza, mba hampisehoana ny tiany holazaina. Nampiasa fampitomboana fomba filaza toy izany i Jesosy ao amin’ny Matio 5:18 rehefa nilaza hoe: “Mandra-pahafoan’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.” Fantatr’i Jesosy fa tsy ho foana ny lanitra sy ny tany. Toy izany koa, i Paoly dia tsy ho voaozona, ary tsy ny Jiosy rehetra no hanaiky ny Kristianisma. Fa ny tian’i Paoly holazaina dia hoe vonona ny hanao saika na inona na inona izy mba hanampiana ireo Jiosy ireo hahay hanararaotra ny fomba famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsy mahagaga raha afaka nampirisika ireo Kristiana namany toy izao ilay apostoly: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy”! — 1 Korintiana 11:1.

Amin’izao andro izao, ny Kristiana dia tokony hanana fiahiana ny tsy mpino mitovy amin’ny an’i Jesosy sy i Paoly. Na oviana na oviana isika dia tsy tokony hamela ny tsy fisian’ny fahalianana, na ny fanoherana mivantana ataon’ny olona eny amin’ny faritany itoriantsika hampihena ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika sy ny zotom-pontsika eo amin’ny fanampiana azy ireo hianatra ny lalan’ny famonjena. — Matio 22:39.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara