Ny Fatoram-panambadiana Mihamigoragora
NAMIHINA ny zanany kely roa volana ny reny tanora iray. Avy eo, tamim-pahavinirana tampoka, dia nazerany tamin’ny gorodona izy io. Maty ilay zazalahy kely, ora vitsivitsy taorian’izay. “Niniako nazera izy”, hoy ilay reny, “satria tsy miraharaha ny ankohonany ny vadiko.” Tsy nandamina ilay raharaha tamin’ny firesahana tamin’ny vadiny izy fa nanampatra ny hatezerany tamin’ilay zazakely tsy nanan-tsiny.
Vitsy ny reny hanao zavatra tafahoatra toy izany, kanefa dia maro no mitovy fihetseham-po amin’io reny io. Manjary mihasarotra hatrany ho an’ny mpivady ny hanao izay hahombiazan’ny fanambadiany. “Rehefa ambany toy ny any Etazonia amin’izao andro izao ny mety ho fahombiazan’ny fanambadiana”, hoy ny Journal of Marriage and the Family, “ny fanaovana fanekena iray mafy sy tsy misy fepetra ho amin’ny fanambadiana (...) dia mampidi-doza aoka izany ka tsy misy olona vory saina tanteraka hanao izany.”
Amin’izao fotoana mikorontana izao, ny fahalotoam-pitondran-tena, ny tsy fahazakan-toetra, ny trosa, ny fifandonana amin’ny havam-bady, ary ny fitiavan-tena dia samy mandrehitra ny fifandirana ao an-tokantrano avokoa, dia fifandirana izay matetika tokoa no tonga hatramin’ny fisaraham-panambadiana. Ratsy aoka izany ny tarehin-javatra any Japana, hany ka na dia ny Eglizy Katolika izay malaza noho ny fanoherany mafy ny fisaraham-panambadiana aza dia voatery nanangana komity manokana mba hanamorana ny raharaha momba ireo mpikambana nisara-panambadiana sy ireo nanambady indray. Mpiangona mitombo isa hatrany no iharan’ny zava-manahirana mifandray amin’ny fisaraham-panambadiana.
Ny hamaroan’ny fisaraham-panambadiana anefa dia tsy mampiseho afa-tsy tapany kely monja amin’ny zava-manahirana lehibe lavitra. Asehon’ny fikarohana natao tany Etazonia fa ny fikororosian’ny toe-piainan’ny olona manambady mihitsy no mahatonga ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana, fa tsy fironana ara-tsosialy manamora ny fisaraham-panambadiana fotsiny. Rehefa kely kokoa ny fiezahana ary kely kokoa ny fanekena, dia mihavasoka ny fiainan’ny olona manambady. Maro no mitana ilay fisehoana ivelany hoe mpivady, kanefa dia tsy miray fandriana izy ireo, ary saika tsy mifampiresaka mihitsy. Ny sasany dia mahatsapa toy ny izay tsapan’ilay vehivavy tatsinanana izay nividy fasana hilevenany manokana, tamin’ny filazana hoe: ‘Tsy manaiky ny hiray fasana amin’ny vadiko aho.’ Noho izy tsy afaka misaraka amin’ny vadiny amin’izao fotoana izao, dia mikendry ny hanao fisaraham-panambadiana aorian’ny fahafatesana izy. Mampalahelo fa na dia tsy misara-panambadiana aza ny olona toy izany, dia tsy loharanom-pahasambarana ho azy ireo ny fiainan’ny olona manambady.
Izany no nitranga tamin’i Isao. Nampakatra ny vadiny noho ny haitraitra fotsiny izy, hany ka tsy nisy antony manosika tsapany mba hanovana ilay fomba fiainany tsy nihevitra afa-tsy ny tenany. Na dia nanana fidiram-bola tsara aza izy tamin’ny naha-mpamily kamiao mpanao dia lavitra azy, dia nandanilany izay rehetra azony tamin’ny fihinanana sy ny fisotroana izy, tsy nisy firaharahana ny fianakaviany. Ho vokatr’izany, dia tsy nifarana mihitsy ny fifamaliana tamin’ny vadiny. “Isaky ny mafy ny mahazo ahy”, hoy ny tsaroan’i Isao, “dia nody tany an-trano aho ary nanampatra ny hatezerako tamin’ny fianakaviako.” Toy ny volkano iray tsy mety mitony, dia nirongatra isan’andro ny resaka momba ny fisaraham-panambadiana.
Misy lehilahy sy vehivavy maro mijaly am-panambadiana. Na misara-panambadiana izy ireo na tsia, dia tsy mahita fahasambarana. Misy fomba azon’izy ireo ampiasaina ve mba hahombiazana eo amin’ny fanambadiany? Inona no azo atao mba hanamafisana ny fatoram-panambadiany?