‘Famantarana avy any An-danitra’
HOY ny tononkalo tranainy iray: “Takariva mena masoandro, fifalian’ny tantsambo,/Maraina mena masoandro, mitandrema ry tantsambo.” Amin’izao andro izao dia ampiasaina ny satelita, ny fandinihana maripana hatsaraina amin’ny ordinatera, ny radara Doppler, ary ny fomba siantifika hafa, mba hilazana mialoha ny toetr’andro. Ireo filazana mialoha dia mazàna mifanaraka amin’ilay tononkalo vao avy notononina teo.
Indray andro ireo fahavalon’ i Jesosy Kristy ara-pivavahana dia nitaky taminy ‘famantarana avy any an-danitra’, izany hoe, fampisehoana tsy mahazatra iray mba hanaporofoana ny naha-Mesia azy. “Nony hariva”, hoy izy, “dia hoy hianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra. Ary nony maraina, dia hoy hianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo. Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany.” — Matio 16:1-4.
Afaka nilaza mialoha ny toetr’andro ireo fahavalon’i Jesosy fa tsy nahay nahataka-javatra ara-panahy. Ahoana, ohatra, ny amin’ny “famantarana ny amin’i Jona”? Rehefa avy nandany telo andro teo ho eo tao anatin’ny kibon’ny hazandrano lehibe iray i Jona, mpaminanin’Andriamanitra, dia nitory tany Ninive, ary tamin’izany dia tonga famantarana ho an’io tanàna renivohitr’i Asyria io. Nanana ny “famantarana ny amin’i Jona” ilay taranaka nisy an’i Jesosy, rehefa nandany ampahan’ny telo andro tao am-pasana sy natsangana tamin’ny maty i Kristy. Nanambara ny porofon’izany zava-nitranga izany ireo mpianany, ka noho izany dia famantarana ho an’izany taranaka izany i Jesosy. — Matio 12:39-41.
Tamin’ny fisehoan-javatra hafa iray, ny mpianatr’i Jesosy dia nangataka “ny famantarana” ny amin’ny ‘fanatrehany’ ho avy, amin’ny herin’ny Fanjakana. Ho valiny, dia nanome famantarana misy lafiny maro izy, dia famantarana izay voaforon’ny tapany isan-karazany, tafiditra amin’izany ireo ady tsy roa aman-tany, ny horohoron-tany lehibe, ny tsy fahampian-tsakafo, ary ny fitoriana maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina any an-danitra. — Matio 24:3-14, NW.
Moa ve ianao mahay mamantatra ilay famantarana momba ny fanatrehan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka tsy hita maso any an-danitra azy? Tanteraka eo amin’izao taranaka izao ireo lafiny amin’izany famantarana izany. (Matio 24:34). Ary ahoana ny amin’ny hoavy? Ny Baiboly dia tsy vitan’ny hoe mampahafantatra ny fahantomoran’ny faran’ity fandehan-javatra ity fa milaza mialoha koa ny amin’ilay andro vaovao nampanantenain’Andriamanitra izay hihamazava sy hihamamirapiratra tsy ho ela ho an’ny taranak’olombelona. — 2 Petera 3:13.