FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/5 p. 32
  • Nahoana no ‘Mandeha any Amin’ny Vitsika’?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no ‘Mandeha any Amin’ny Vitsika’?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/5 p. 32

Nahoana no ‘Mandeha any Amin’ny Vitsika’?

NANOME izao torohevitra izao i Solomona Mpanjaka hendrin’ny Isiraely fahizay: “Mandehana any amin’ny vitsika”. Nahoana izy no nilaza izany? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny vitsika?

Nanampy teny toy izao i Solomona: “Diniho ny [fanaon’ny vitsika], ka mba hendre; tsy manana komandy ireny, na mpifehy, na mpanapaka, nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.” (Ohabolana 6:6-8). Ireo teny natao efa ela be ireo dia manonona fahamarinana hitan’ireo mpandinika zavaboary amin’izao andro izao.

Ilay manam-pahaizana momba ny ohabolana atao hoe Agur dia manondro fa “manana fahendrena voajanahary” ny vitsika. (Ohabolana 30:24, 25, NW ). Mazava ho azy fa ny fahendreny dia tsy avy amin’ny fanjohian-kevitra amim-pahaiza-misaina, fa vokatr’ireo fironana voajanahary nomen’ny Mpamorona azy kosa. Noho ny fironana voajanahary, ohatra, dia manangona ny haniny amin’ny fotoana mety tsara ireo vitsika.

Mahay mandamin-javatra amin’ny fomba mahatalanjona ireo vitsika. Mahavariana fa mahay miara-miasa sady maneho fiheverana ireo mpiara-miasa aminy izy ireo, ka manampy ireo vitsika maratra na trotraka hiverina any amin’ny akany. Noho ny fironana voajanahary, dia miomana ho amin’ny hoavy izy ireo ary manao izay rehetra azony atao mba hanatontosana ny asany.

Ny lalana voajanahary arahin’ny vitsika dia milaza fa ny olombelona dia tokony hanao fiomanana mialoha sy hiasa mafy. Izany dia mihatra amin’ny any an-tsekoly sy ny any am-piasana ary eo amin’ny asa ara-panahy. Toy ny vitsika mandray soa avy amin’ny fahazotoany miasa, dia toy izany koa fa irin’Andriamanitra ho “finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona”. (Mpitoriteny 3:13, 22; 5:18). Toy ny vitsika be asa hatao foana, ireo Kristiana marina dia miasa mafy araka ny tokony ho izy mandritra ny andro iray. ‘Manao izay rehetra azon’ny tanany atao’ izy, tsy hoe satria misy lehibe mitazana, fa noho ny fanaovana ny marina ary noho ny faniriana ny ho mpiasa mazoto sy mamokatra tsara. — Mpitoriteny 9:10; ampitahao amin’ny Ohabolana 6:9-11; jereo koa Titosy 2:9, 10.

Tena ho sambatra tokoa isika raha ‘mandeha any amin’ny vitsika’ ka mampihatra izay ianarantsika avy aminy. Ary hahazo ny fahasambarana lehibe indrindra isika raha miezaka amim-pitandremana hanao ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra, aharihary ao amin’ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara