Halaviro ny Toe-tsaina Miavonavona!
Hoy ny ohabolana maneho fahendrena iray ao amin’ny Baiboly: “Izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.” (Ohabolana 17:19). Inona no maha-ratsy ny vavahady avo? Ary inona no tena hevitr’io ohabolana io?
TAMIN’NY andro fahiny, ny olona sy jirika nitaingin-tsoavaly dia zavatra fahita. Mora voan’ireo mpangalatra ny trano tsy voaro tany ambanivohitra. Mba hisakanana ny hafa tsy hangalatra ny fananany, ny tompon-trano sasany dia nanamboatra tamboho nisy vavahady manokana iray. Avo ilay tamboho, fa ilay vavahady kosa nataony iva. Raha ny marina aza, dia tsy nihoatra ny iray metatra ny haavon’ny vavahady sasany — iva loatra ho an’ny soavaly iray sy ny mpitaingina azy. Ireo izay tsy nanao ny vavahadiny nankao amin’ny tokotaniny ho iva dia niharan-doza avy tamina mpitaingin-tsoavaly nety hiditra ka handroba ny fananany.
Tany an-tanàn-dehibe, ny vavahady niditra tao an-tokotany mazàna dia iva ary tsy nanintona, mba tsy hilazalaza momba ny harena nety ho nisy tao ambadiky ny tamboho nanodidina ny fonenana iray. Kanefa, tany Persia ny vavahady nanerinerina iray dia famantarana ny amin’ny naha-mpanjaka, izay nandraman’ny olom-pehezina sasany notahafina, ka ho fisetran-doza mihitsy. Na iza na iza nanao vavahady avo ho an’ny tranony dia nihantsy fandrobana noho ny fampideraderany ny harenany.
Ny Ohabolana 17:19 àry dia mampiseho fa ireo izay manao ny vavahadiny ho avo dia mihaika loza noho ny fiheveran-tena ho ambony noho ny tena izy. Io ohabolana io koa dia mety hanisy fitenenana ny amin’ny vava izay toy ny vavahady iray natsangana ho avo, noho ny avom-bava sy ny teny feno hambo. Ny fomba fiteny toy izany dia miteraka ady ary amin’ny farany dia mety hitarika ilay olona feno rehareha ho amin’ny loza. Ho fanehoana fahendrena toy inona àry ny hanalavirana toe-tsaina miavonavona!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]
Picturesque Palestine, Sinai and Egypt, Volume 1, by Colonel Wilson (1981)