Ohatrinona no Homenao ho Vidin’io?
MAHAFANTATRA zavatra iray izay sarobidy aoka izany ve ianao, ka ho vonona ny hanao sorona izay rehetra anananao mba hahazoana azy? Nanao izany i Jesosy, ary niresaka momba izany tamin’ireo mpanara-dia azy.
Hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.” — Matio 13:45, 46.
Vonona ny hamoy ny zava-drehetra io mpandranto io mba hahazoana ilay “vato soa”, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa nahoana? Satria tsy misy na inona na inona azo ampitahaina aminy eto amin’ity tontolo ity. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia handamina ireo zava-manahirana izay tsy hain’ny olombelona ny nandamina azy. Anisan’izany ny ady, ny hanoanana, ny heloka bevava ary ny fampahoriana. (Salamo 72:4-8, 13, 14). Eo ambanin’ny fitarihan’ilay Fanjakana, na dia ny fahotana sy ny aretina ary ny fahafatesana aza dia tsy hisy intsony. (Apokalypsy 21:4, 5). Tsy mahagaga raha ny zavatra angatahina faharoa ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo (ny “Rainay Izay any An-danitra”) ny hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao”! — Matio 6:9, 10.
Inona no homenao mba hahazoana ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana? Raha ny tena izy, dia maimaim-poana ireo fitahiana ireo. Kanefa, mba hahazoana azy ireo, dia tsy maintsy mahafantatra momba io Fanjakana io ianao, ka mino fa tena misy izy io ary mametraka azy eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao. Afaka manao izany ve ianao? Misy fanazavana afaka ny hanampy anao ao amin’ny Baiboly. Nahoana ianao raha mamela ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra ary hahita ny fomba ahazoana soa avy aminy dieny izao mihitsy.