FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/3 p. 30-31
  • Ireo Misionera any Mikronezia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Misionera any Mikronezia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/3 p. 30-31

Ireo Misionera any Mikronezia

NA DIA sarahin’ny fitomandavan’ny Oseana Pasifika toa tsy manam-petra aza ireo misionera any Mikronezia, dia mbola mahavita mihaona isan-taona hanao “fivoriam-pianakaviana” ihany izy ireo. Ary aiza no ivorian’ireo mpitory ny filazantsara avy any amin’ny nosy lavitra be ireo? Mety indrindra fa ao amin’ilay toerana nomen’ny fitondram-panjakana eo an-toerana anarana hoe Jehovah Street — ny adiresin’ny biraon’ny sampana any Guam mitantana ny asan’izy ireo.

Tamin’ny Jona 1992, dia misionera 56 no tafavory tao amin’ny sampana mba hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana”. Hehy sy resadresaka nahafinaritra no nanenika ny trano raha teo am-panavaozana fisakaizana efa an-taonany maro sy teo am-panorenana fisakaizana vaovao izy ireo. Toy ny fanaony, dia nilahatra teo amin’ny tohatohatry ny Efitrano Fanjakana izy ireo mba halain-tsary miaraka ary avy eo dia naka toerana teo amin’ireo latabatra lava telo fampiasa amin’ny fanasana mba handray anjara amin’ny sakafo iarahan’ny misionera isan-taona. Niavaka ny tamin’ity taona ity noho ny fitsidihan’ny rahalahy Albert Schroeder, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana.

Ho an’ny maro be amin’ireo misionera, dia io fiaraha-mivory isan-taona any Guam io no mba hany fahafahany miala amin’ny fonenana tropikaly bitika misy azy ireo. Ary bitika tokoa moa izany. Ny Nosy Ebeye, iray amin’ireo Nosy Marshall, dia tsy misy afa-tsy 32 hektara monja. I Majuro, fonenan’ny misionera, anisan’ireo Nosy Marshall, sy i Kiribati anisan’ireo Nosy Gilbert, dia samy miorina eo ambonin’ny harandranomasina lava sady tery, manana sakany latsaka ny 0,8 kilaometatra. Noho izany, ireo misionera dia manao izay handraisan-tsoa be indrindra avy amin’io dia mampientana ataony mankany Guam io.

Na dia toa mampanonofinofy aza ny hevitra ny amin’ny fitoriana any amin’ny nosy tropikaly lavitra iray, izany dia tena zava-tsarotra iray izay vitsy ihany no ampy fitaovana mba hiatrika azy. Mahaliana fa 7 amin’ireo misionera 56 monja no avy tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower. Ny ankamaroany dia avy any Hawaii na Philippines, izay nanompoany tamin’ny naha-minisitra mpisava lalana efa zatra ny fiainana any amin’ny tropika, ary nandeha nivantana avy any amin’ny tany nisy azy izy ireo mba ho any amin’ny toerana nanendrena azy ho misionera.

Koa satria ireo nosy any Mikronezia miorina akaiky dia akaiky ny ekoatera, dia miady amin’ny hafanana manempotra sy ny hamandoana ireo misionera mba hanatratrarana ny fonenan’ny olona amin’ny vaovao tsara. Mety mbola ho zava-tsarotra lehibe kokoa mihitsy aza ny fifampiresahana. Samy manana ny fiteniny avy ny nosy na ny vondronosy tsirairay — ny sasany tena tsy fantatra ary tsy voarakitra ao anaty diksionera akory aza — ary mety ho an-taonany maro vao ho afaka hiteny misosa tsara ny olona iray vao tonga. Mba hanampiana ny olona ao amin’izany nosy manana kolontsaina isan-karazany izany hahatakatra ny Baiboly, dia manonta zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 11 ny sampana any Guam, ka ny 9 amin’izany dia tsy ampiasaina afa-tsy any Mikronezia ihany.

Misy nosy sasany tena mitokana, hany ka tsy mety ho tratra raha tsy amin’ny lakana ihany. I Tol, fonenan’ny misionera any Chuuk (Truk), dia miorina any amin’ny nosy toy izany, ary miantehitra amin’ny panneaux solaires ireo misionera any mba hanome azy herinaratra mandritra ny ora vitsivitsy monja isan’andro.

Amin’ny fitambarany, dia misy fonenan’ny misionera 14 manerana an’i Mikronezia, izay maharakotra faritra iray saika mitovy refy amin’ny kontinentan’i Etazonia. Amin’ireo olona maherin’ny 400 000 monina any amin’ilay faritra, dia 1 000 no mpitory ny vaovao tsara, voalamina ho kongregasiona 20 sy antokon’olona mitokana 3.

Na dia tena sariaka aza ny mponina any Mikronezia amin’ny ankapobeny, ny fombafomba ara-pivavahana any an-toerana sy ny faneren’ny fianakaviana dia manakivy olona maro tsy handray ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa na dia miroborobo aza ny asa fitoriana amin’ny ankapobeny (mitarika fampianarana Baiboly mihoatra ny 2 000 ireo mpitory ilay Fanjakana 1 000 ireo), dia mbola kely ihany ny kongregasiona sy ny antokon’olona sasany. Tsy misy afa-tsy mpitory 5, ohatra, ao amin’ny nosin’i Tinian, mpitory 7 monja ao amin’ny nosin’i Nauru, ary ny kongregasiona any Yap, Kosrae ary Rota dia samy manana mpitory latsaka ny 40 avy. Na dia izany aza, dia nijanona nandritra ny 20 taona mahery tany amin’ny toerana nanendrena azy ny misionera sasany. Tsara homarihina fa ny enina tao amin’ny nosin’i Belau dia samy tany avokoa nandritra ny 12 taona fara fahakeliny.

Ho an’ireo izay miaritra, dia lehibe ny valisoa. Eo ny fahafahana hankafy isan’andro ny hatsaran’ny zavatra noforonin’i Jehovah. Ireo nosy lonaka any Mikronezia dia miparitaka sahala amin’ny vatosoa maitso madinika mitsivalana eo amin’ny velarana mangan’i Pasifika. Ireo torapasika mitomandavana tsy tomefy olona sy ireo harandriaka feno trondro miloko mahavariana, dia manintona ireo mpankafy ny fisitrihana anaty rano mba hizaha ny sasany amin’ireo toerana tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao falehan’ny mpisitrika anaty rano. Ary amin’ny faran’ny andro tsirairay, dia misy fahitana mampitolagaga ny masoandro mody eo ambonin’ilay oseana.

Ny valisoa lehibe indrindra anefa dia ny tombontsoa manompo an’i Jehovah amin’ny firesahana amin’ny hafa ny amin’ny fikasany mahatalanjona momba ny hoavy. Koa satria ireo misionera any Mikronezia miezaka manatratra hatrany izany valisoa izany, dia manatanteraka ny teny ao amin’ny Isaia 42:12 toy izao izy ireo: “Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.”

[Sarintany/Sary, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

Barrigada, Guam

Santa Rita, Guam

Koror, Belau

Dublon, Chuuk (Truk)

Moen, Chuuk (Truk)

Faro Tol, Chuuk (Truk)

Tarawa, Kiribati

Lelu, Kosrae

Ebeye, Ireo Nosy Marshall

Majuro

Kolonia, Pohnpei

Songsong, Rota

Chalan Kanoa, Saipan

Yap

MIKRONEZIA

MELANEZIA

IREO NOSY CAROLINE

OSEANA PASIFIKA

PHILIPPINES

NOUVELLE-GUINÉE

EKOATERA

[Sary]

Misionera mivory any Guam, Jona 1992

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara