“Ny Lilia any An-tsaha”
TSY fananana asa. Fisondrotan’ny vidin-javatra. Fahantrana. Fitambotsorana ara-toe-karena. Ireo teny ireo dia mihamateti-piseho ao amin’ireo filazam-baovao. Ary izany dia mampiseho taratry ny fahasahiranana atrehin’ny olona an-tapitrisany maro raha eo am-piezahana manome hanina sy mampitafy ny fianakaviany izy ireo ary manao izay hananany trano hisitrihana.
Samy voakasika daholo na ny mpino na ny tsy mpino. Ireo mpino anefa dia tsy irery eo amin’ny fiatrehana izany zava-manahirana izany. Nilaza toy izao i Jesosy, rehefa niresaka tamin’ireo olona nanetry tena tamin’ny taonjato voalohany: “Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?” — Matio 6:26.
Niteny koa i Jesosy hoe: “Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo [“lilia”, fanamarihana ambany pejy] any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha (...) no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo (...)?” — Matio 6:28-30.
Milaza ve izany fa tsy mila ny miasa mba hivelomana ny Kristiana iray? Tsy izany velively! Miasa mafy araka izay ilaina ny Kristiana iray mba handoavana ireo faktiorany. Hoy ny apostoly Paoly hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy”. (2 Tesaloniana 3:10). Na dia izany aza, ilay Kristiana dia mahatsapa ny fikarakarana feno fitiavana ataon’Andriamanitra ary mino fa miahy azy ilay Rainy any an-danitra. Araka izany, dia tsy very hevitra izy noho ireo fanahiana eo amin’ny fiainana. Na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza, dia mametraka ireo voalohan-javatra — ireo zavatra ara-panahy — eo amin’ny toerana voalohany izy. Mino ireto tenin’i Jesosy ireto izy: “Aza mitsahatra àry ny mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany zavatra hafa rehetra izany.” — Matio 6:33, NW.