Ny Sigara sy ny Paraky ary ny Klerjy
MAHERIN’NY 115 taona lasa izay, ilay dokotera mpitsabo atao hoe John Cowan dia nanoratra boky iray mitondra ny lohateny hoe The Use of Tobacco vs. Purity, Chastity and Sound Health (Ny Fampiasana Sigara sy Paraky mifanandrina amin’ny Fahamasinana, Fahadiovam-pitondran-tena, ary Fahasalamana Tsara). Raha jerena amin’izay nianarana tao anatin’ireo taona faramparany momba ny vokany manimba amin’ny sigara sy paraky, ny fanambarana nataony momba ny fampiasan’ny klerjy azy io dia mampiseho fahaiza-mitsara zavatra, sady misy heviny lehibe ho an’izay ta hanompo an’Andriamanitra amin’izao andro izao. Rehefa nivaofy ny amin’ny vokatry ny fampiasana sigara sy paraky eo amin’ny fitondran-tena ny Dr. Cowan, eo amin’ny toko faha-4, dia nanao izao fanamarihana izao:
“Raha ratsy ho an’ny vatana ny fampiasana sigara sy paraky — araka izay efa naseho mazava tsara — dia tsy maintsy voatery ho ratsy amin’ny fitondran-tena koa izy io; satria lalàna eo amin’ny fomba fiasan’ny vatana ny hoe ‘izay rehetra manimba na manorisory ny vatana dia manimba ny rafi-pitatitra (système nerveux), ary avy amin’io ny atidoha, ary avy amin’izany ny saina’. Ny sain’ny olona iray — ny eritreriny, ny fiteniny, ny ataony, dia iharan’ny herin’izay fomba ampiasany na animbany ny toetrany ara-batana. Amin’ny anarany mihitsy sy izay miaraka aminy, ny sigara sy ny paraky dia maloto, ary — na dia tsy heverina aza ny fanimbana aterany — ahoana no ahafahan’ny fihetseham-po sy ny fanaovan-javatra madio, tsy misy pentina, marina, ary tsara ara-pitondran-tena hiandoha na hitombo ao an-tsaina? Raha misy mieritreritra — raha azo eritreretina ny zavatra toy izany — fa i Kristy, fony izy nanana fiainana fakan-tahaka tetỳ an-tany — fony izy nampianatra sy nitory ny fahamasinana, ny fahadiovam-pitondran-tena, ny fitiavana ary ny fiantrana — dia nifoka sigara, nihinam-paraky ary nitsako [ravim-paraky]. Moa ve ny fieritreretana toy izany fotsiny tsy toy ny fametavetana zava-masina? Ary anefa dia misy mpitondra fivavahana — mpanara-dia azy, mpitory teny, sy mpiaro ny lalàny sy ny fampianarany — manimba ny vatan’izy ireo ary mampisy loto ny fanahin’izy ireo amin’ilay ahi-dratsy maloto sy misy poizina. Moa ve ireo lehilahy ireo, na ireo mpanara-dia azy, manana fiainana sahala amin’ny an’i Kristy — fiainana ambony sy tsara ara-pitondran-tena? Tsy mihevitra izany aho.
“Andramo, raha mahavita ianao, ny mieritreritra olona tendan-kanina iray, na mpiboboka divay iray, na mpifoka na mpihinam-paraky iray ampifandraisina amin’ny fahamasinan’ny fo? Misy zavatra tsy voajanahary sy faran’izay manafintohina ary maharikoriko eo amin’ny fiarahan’ireo hevitra ireo. Toy ny filan’ny vatana sy ireo fahatsapana etỳ ivelany mampietry, dia toy izany koa fa ilay olona anaty, ilay hatsaran-toetra voajanahary, dia manjary tsinontsinona. Ilay fanahy madio dia tsy hitoetra, ary tsy afaka mitoetra ao anatin’ny trano maloto iray. Misy fifandraisana voajanahary eo amin’ny zavatra ara-batana sy ny zavatra ara-panahy, hany ka ny toetra tsaran’ny iray dia mampiseho ny toetran’ilay hafa. Mpampianatra ara-pivavahana iray sady andevon’ny sigara sy ny paraky (...) Mety hiaiky izy, amin’ny fo madio sy amim-pahatsorana tanteraka, fa ny fampiasana sigara sy paraky dia fanao mamohehatra, ratsy ara-pitondran-tena; kanefa dia mety hahatsapa filana anaty tampoka izy, lalàna ao amin’ny tenany, avy amin’ny nataon’olombelona, izay mandrisika azy hanohy ilay fanao amim-paniriana fatratra tsy mety lefy, ary io lalàna nataon’olombelona io dia mety hahery kokoa noho ny fisainana sy ny fieritreretana voajanahary mitambatra. Moa ve ny fampiasana sigara sy paraky tsy fandikana azo tsapain-tanana ny iray amin’ireo lalàn’Andriamanitra raikitra ao amin’ny vatantsika? Moa ve ny fandikana izay mety ho lalàn’Andriamanitra tsy fandikan-dalàna na ota? Ary raha zatra miaina amin’ny fandikana ny iray amin’ny lalàn’Andriamanitra ny olona iray, moa ve tsy ho mora foana sy handeha ho azy ny fifindrana ho amin’ny fandikana lalàna hafa? Ary farany, ahoana no ahafahana mihevitra olona iray ho mpampianatra hatsaran-toetra, kanefa amin’ny fitondran-tenany manokana, dia mampirisika ny zavaboary namany hiaina amin’ny fandikana tsy an-kijanona ireo lalàna momba ny tenany izy?”