Ny Tsara Mifanandrina Amin’ny Ratsy — Ady Efa Hatramin’ny Ela
TAO amin’ireo horonan-tsarimihetsika taloha, ilay “olona nanao ny tsara” dia nandresy foana ny herin’ny ratsy. Tsy tsotra toy izany mihitsy anefa ny tena zava-misy. Matetika mihitsy, eo amin’izao tontolo izao tena izy, dia ny ratsy no toa mandresy.
Ireo tatitra mampahatahotra momba ny fanaovan-dratsy dia mibahan-toerana tsy tapaka ao amin’ny filazam-baovao isan’alina. Tany avaratr’i Etazonia, ny lehilahy iray tany Milwaukee dia namono olona 11, ary nafeniny tao anatin’ny congélateur (vata fampangatsiahana) ny sisa tamin’ny vatan’izy ireo tapatapaka. Tany atsimo, dia nisy olon-tsy fantatra iray niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pisakafoana iray tany Texasary nanomboka nitifitra tsy an-kifidy na iza na iza nandritra ny folo minitra, nahafaty olona 23, anisan’izany ny tenany. Nisy mpanohitra tsy faly iray tany Korea, nandoro ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nahafaty mpivavaka 14.
Tsy vitan’ny hoe misy ireo fisehoan’ny fanaovan-dratsy tampoka sy maningana ireo, fa misy fanaovan-dratsy mampihorohoro hafa iray izay misy fiantraikany eo amin’izao tontolo izao — ny famonoana an-kitsirano antokon’olona iray firazanana. Araka ny kajy dia nisy Armeniana iray tapitrisa sy Jiosy enina tapitrisa, ary Kambodziana maherin’ny iray tapitrisa noringanina tamin’ireo fanesorana izay firazanana na antoko politika tsy nirina tao anatin’ity taonjato ity fotsiny. Namely olona maro tany Yogoslavia teo aloha ilay antsoina hoe fanadiovana ara-pirazanana. Tsy misy mahafantatra hoe olona tsy manan-tsiny firy tapitrisa no nampijalina tamin-kerisetra manerana ny bolan-tany.
Ny fiafaran-javatra mampalahelo toy izany dia manery antsika hiatrika ilay fanontaniana manelingelina hoe: Nahoana ny olona no manao zavatra toy izany? Tsy azontsika ailika ho zavatra nataon’olona tsy salama saina sasany fotsiny ireny habibiana ireny. Ny fitaran’ny ratsy tsy hita pesipesenina natao tamin’izao taonjato misy antsika izao dia mampiseho fa diso izany fanazavana izany.
Ny fanaovan-dratsy iray dia faritana ho fanaovan-javatra iray izay ratsy araka ny fari-pitondran-tena. Izany dia asa ataon’olona iray izay afaka mifidy ny hanao ny tsara sy hanao ny ratsy. Na ahoana na ahoana, dia manjary mivaona ny fitsarany ny fari-pitondran-tena ary dia mandresy ny ratsy. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana anefa no itrangan’izany?
Ireo fanazavana ara-pivavahana mikasika ny ratsy dia mazàna tsy mahafa-po. Nilaza ilay filozofa katolika atao hoe Thomas Aquinas fa “ho nisy zavatra tsara maro voaesotra raha tsy navelan’Andriamanitra hisy ny ratsy”. Misy filozofa protestanta maro manana fiheverana mitovy amin’izany. Araka ny voalazan’ny The Encyclopædia Britannica, ohatra, i Gottfried Leibniz dia nihevitra ny ratsy ho “fampihaingoana fotsiny ny tsara eo amin’izao tontolo izao, ka ampitomboany izany amin’ny fisian’ny fifanoheran-javatra”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nino izy fa mila ny ratsy isika mba hahafahantsika hankasitraka ny tsara. Ny fanjohian-kevitra toy izany dia mitovy amin’ny filazana amin’ny marary voan’ny homamiadana iray fa ny aretiny indrindra no ilaina mba hahatonga ny olon-kafa hahatsiaro tena ho velona sy salama marina tokoa.
Tsy maintsy misy fiaviany ny fikasan-dratsy. Moa ve Andriamanitra no tompon’andraikitra tsy mivantana amin’izany? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy”. Raha tsy Andriamanitra no tompon’andraikitra, dia iza àry? Manome ny valiny ilay andininy manaraka: “Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” (Jakoba 1:13-15). Araka izany, dia teraka ny fanaovan-dratsy rehefa misy fanirian-dratsy kolokoloina fa tsy ariana. Misy zavatra betsaka kokoa noho izany anefa tafiditra.
Manazava ny Soratra Masina fa ny fanirian-dratsy dia mipoitra satria ny taranak’olombelona dia manan-takaitra fototra iray — tsy fahatanterahana nolovana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Noho ny ota nolovana, ny fitiavan-tena dia mety handresy ny hatsaram-panahy ao amin’ny saintsika, ary ny fahasiahana dia mety hanosihosy ny fangorahana.
Marina fa ny ankamaroan’ny olona dia mahafantatra ho azy fa ratsy ny fitondran-tena sasany. Ny fieritreretan’izy ireo — na ‘lalàna voasoratra ao am-pony’ araka ny niantsoan’i Paoly azy — dia manakana azy tsy hanao asa ratsy. (Romana 2:15). Na dia izany aza, ny tontolo iainana tsy mifaditra ovana iray dia afaka manakana ny fihetseham-po toy izany tsy hiseho, ary ny fieritreretana dia mety ho faty rehefa tsy raharahaina imbetsaka.a — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 4:2.
Moa ve ny tsy fahatanterahana ihany no mahatonga ny ratsy tambabe misy amin’izao androntsika izao? Nanao izao fanamarihana izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Jeffrey Burton Russell: “Marina fa misy ratsy ao amin’ny tsirairay amintsika, kanefa na dia atambatra avokoa aza ireo ratsy eo amin’ny tsirairay ireo, izany dia tsy manazava ny fisian’i Auschwitz (toby fitanana nazia tany Polonina). (...) Ny fanaovan-dratsy manana izany halehibe izany dia toa hafa na eo amin’ny karazany na eo amin’ny habetsahany.” Tsy iza fa i Jesosy Kristy ihany no nampahafantatra mazava tsara io loharanon’ny ratsy izay hafa eo amin’ny karazany io.
Tsy ela talohan’ny nahafatesany, dia nanazava i Jesosy fa ireo lehilahy nikasa hamono azy dia tsy nanao izany tanteraka noho ny sitrapon’izy ireo manokana. Nisy hery tsy hita maso iray nitarika azy ireo. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy.” (Jaona 8:44). Ny Devoly izay nantsoin’i Jesosy hoe “andrianan’izao tontolo izao”, dia miharihary fa manana anjara asa lehibe eo amin’ny fampirisihana hanao ny ratsy. — Jaona 16:11; 1 Jaona 5:19.
Ny tsy fahatanterahan’olombelona sy ny hery mitaonan’i Satana dia samy nitondra fahoriana be nandritra ny an’arivony taona maro. Ary tsy misy famantarana fa mihena ny fangejan’izy ireo ny taranak’olombelona. Moa ve natao hitoetra eto ny ratsy? Sa hamongotra ny ratsy amin’ny farany ireo herin’ny tsara?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hitan’ireo mpanao fikarohana vao haingana fa misy ifandraisana ny herisetra miharihary ao amin’ny televiziona sy ny heloka bevava ataon’ny tanora. Ny faritra izay anjakan’ny heloka bevava sy ny fianakaviana mizarazara koa dia antony mahatonga ny fitondran-tena hivaona. Tany Alemaina nazia, ny fampielezan-kevitra fanavakavaham-pirazanana tsy niato dia nitarika olona sasany hanamarina — ary hankalaza mihitsy aza — ireo fampahoriana nahatsiravina natao tamin’ny Jiosy sy ny Slave.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony: U.S. Army photo
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
U.S. Army photo