FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/1 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Torohevitra Momba ny Mpitovo sy ny Fanambadiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mahaiza Manararaotra Raha Tsy Manambady Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mpitovo Amin’ny Fotoam-pahasahiranana Ara-bola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mpitovo Afa-po Manompo An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/1 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no azon’ny Kristiana iray atao rehefa tsy mahita vady sahaza azy izy?

Na dia Kristiana be fandavan-tena aza isika, dia mety mbola ho kivy ihany rehefa manantena aoka izany zavatra izay tsy mety ho tanteraka. Ny fihetseham-pontsika dia voalaza tsara ao amin’ny Ohabolana 13:12, manao hoe: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary [ny fo, NW ]”. Izany no tsapan’ny Kristiana sasany rehefa manam-paniriana ny hanambady izy kanefa tsy mahita vady sahaza azy. Marina indrindra izany ny amin’ireo izay lazalazain’ny apostoly Paoly ho “maimay”. — 1 Korintiana 7:9.

Napetrak’i Jehovah tao amin’ny olombelona ny faniriana hahita tena famenony iray eo amin’ireo izay tsy lahy na tsy vavy tahaka azy. Noho izany, dia tsy mahagaga raha miseho ao amin’ny Kristiana mpitovo maro ireo fihetseham-po ireo. (Genesisy 2:18). Mety hihamafy izany fihetseham-po ara-dalàna izany ao amin’ireo kolontsaina izay manantitrantitra mafy ny amin’ny fanambadiana (na ny hanambadiana rehefa mahatratra ambaratongan-taona iray), na rehefa voahodidina mpivady sambatra maro ao amin’ny kongregasiona ireo Kristiana mpitovo. Kanefa, tsy tsara ny hamelana ny fanahiana ara-pihetseham-po haharitra mandritra ny fotoana ela be. Koa ahoana àry no ahafahan’ireo Kristiana tso-po miatrika ilay toe-javatra kanefa tsy ho voakorontana ara-pihetseham-po amin’ny fomba tafahoatra?

Tsy mora ny ahatongavana amin’izany, ary tsy tokony hihevitra io lafin-javatra io ho toy ny fanitarana na zava-manahirana tsy dia manao ahoana fotsiny ny hafa. Amin’ny fetrany lehibe kokoa anefa, ny fahaizana misetra na mandamina ilay toe-javatra dia miankina amin’ireo dingana azon’ilay mpitovo atao.

Mahita fanalahidy iray isika ao amin’ity fotopoto-pitsipika ara-baiboly azo ampiharina ity: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). I Jesosy Kristy, lehilahy mpitovo, no niteny izany ary nahafantatra tsara ny amin’izay noresahiny izy. Ny fanaovana zavatra ho an’ny hafa, tsy misy antony manosika feno fitiavan-tena, dia tena toromarika tsara dia tsara hanampiana na iza na iza amintsika, mba handresy ireo fihetseham-po ateraky ny fanantenana tsy azo vetivety. Milaza inona izany ho an’ny Kristiana mpitovo?

Miezaha hanao asa maneho hatsaram-panahy ho an’ny fianakavianao sy ho an’ny hafa ao amin’ny kongregasiona, ary ampitomboy ny asanao eo amin’ny fanompoana. Io torohevitra io akory tsy natao hilazana fotsiny hoe: ‘Manàna zavatra atao foana, dia ho hadinonao ny faniriana hanambady.’ Tsia. Raha variana amin’ireo raharaha kristiana ahitam-bokatra ianao, dia mety hahita fa manjary ‘mikasa tsara ao am-ponao, sady manam-pahefana eo amin’ny safidinao manokana’ ary afaka mampiasa ny toerana misy anao amin’izao fotoana izao amin’ny fomba andraisan-tsoa. — 1 Korintiana 7:37, NW.

Ny sasany izay nanam-paniriana mafy ny hanambady dia namela izany hanjary ho fanahiana nikiky azy. Tonga hatramin’ny fanaovana filazana fitadiavam-bady tao amin’ny gazety mihitsy aza izy ireny. Tsara lavitra toy inona anefa ny hanantitranterana ny fankasitrahana ireo soa mety ho azo avy amin’ny fotoana maha-mpitovo. — Jereo aza fady ireo lahatsoratra hoe “Mpanompon’Andriamanitra Mpitovo Nefa Feno” sy “Ny Fijanonana ho Mpitovo: Fomba Fiaina Mitondra Soa Be dia Be” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1988, ary “Ny Fanambadiana ve no Hany Fanalahidin’ny Fahasambarana?”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1992.

Mangataha fanampiana amin’i Jehovah amin’ny vavaka mba haharetana amin’ny maha-mpitovo. (Filipiana 4:6, 7, 13). Kristiana tsy manambady maro be no nahita fa amin’ny fampiasana ny fotoanany mba hianarana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra, ary mba hanatrehana ireo fivoriana kristiana sy handraisana anjara amin’izy ireny, dia nahita ‘famelombelomana fanampiny ho an’ny fanahiny’ izy ireny, araka ny nampanantenain’i Jesosy an’izay rehetra manara-dia azy. (Matio 11:28-30, NW ). Izany dia nanampy azy ireny hampitombo ny fahasalamany ara-panahy mba hahatonga azy ho vady tsara, raha mahita vady sahaza azy izy amin’ny farany.

Aza hadinoina na oviana na oviana fa fantatr’i Jehovah ny tarehin-javatra misy ny mpitovo rehetra manompo azy. Fantany fa ianao dia mety tsy hihevitra hoe ny tarehin-javatra misy anao ankehitriny no tianao kokoa. Ny raintsika be fitiavana any an-danitra koa dia mahafantatra izay hitondra soa maharitra indrindra ho anao, eo amin’ny ara-panahy sy ara-pihetseham-po. Ho setrin’izany, ianao dia afaka mahafantatra amin’ny fomba azo antoka fa: Amin’ny fiandrasana an’i Jehovah amim-paharetana sy amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Teniny eo amin’ny fiainana andavanandro, dia afaka mahazo antoka ianao fa hanome fahafaham-po anao izy amin’izay zava-dehibe indrindra ilainao, amin’ny fomba izay hitondra soa mandrakizay ho anao. — Ampitahao amin’ny Salamo 145:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara