FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/11 p. 31
  • Mety Hamitaka ny Fisehoana Ivelany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety Hamitaka ny Fisehoana Ivelany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/11 p. 31

Mety Hamitaka ny Fisehoana Ivelany

“TSY misy fisehoana ivelany azo itokiana”, hoy ilay mpanoratra tantara an-tsehatra irlandey atao hoe Richard Sheridan. Marina izany, tsy amin’ny hazo ihany, fa amin’ny olona koa.

Indray andro tamin’ny faramparan’ny volana Martsa taona 33 am.f.i., dia nahita aviavy iray i Jesosy Kristy teny am-pandehanan’izy sy ny mpianany avy tany Betania hankany Jerosalema. Feno ravina ilay hazo, kanefa ny fandinihana azy akaiky kokoa dia nampiharihary fa tsy nisy na dia voa iray aza teo aminy. Noho izany dia hoy i Jesosy taminy: “Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay.” — Marka 11:12-14.

Nahoana no nanozona ilay hazo i Jesosy, nefa, araka ny hazavain’i Marka, dia “tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ny aviavy”? (Marka 11:13). Rehefa mandravina ny aviavy iray, mazàna dia mamoa voa aloha koa. Tsy nahazatra ny fahitana aviavy nandravina tamin’io fotoana tamin’ny taona io. Kanefa satria nandravina izy io, dia ara-drariny ny nanantenan’i Jesosy ny hahita voa teo aminy. (Jereo ilay sary etsy ambony.) Ny tsy fisiana afa-tsy ravina teo amin’ilay hazo dia nidika fa tsy hamoa izy io. Namitaka ny fisehoany ivelany. Koa satria nandoavan-ketra ireo hazo fihinam-boa, dia ho enta-mavesatra ara-bola ny hazo iray tsy namoa ka nila ny hokapaina.

Nampiasa io aviavy tsy namoa io i Jesosy mba hampisehoana fianarana lehibe iray momba ny finoana. Ny ampitson’iny, dia gaga ireo mpianany fa efa nalazo sahady ilay hazo. Nanazava toy izao i Jesosy: “Manàna finoana an’Andriamanitra. (...) Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany.” (Marka 11:22-24). Ankoatra ny fampisehoana ny ilana ny mivavaka a­mim-pinoana, ilay aviavy nalazo dia nampiseho tsara izay hanjo ny firenena iray tsy manam-pinoana.

Volana vitsivitsy talohan’izay, i Jesosy dia nampitaha ny firenena jiosy tamin’ny aviavy iray tsy namoa nandritra ny telo taona ka hokapaina raha mbola tsy namoa ihany. (Lioka 13:6-9). Tamin’ny fanozonana ilay aviavy efatra andro monja talohan’ny hahafatesany, i Jesosy dia nampiseho fa tsy namoa voa mendrika ny fibebahana ny firenena jiosy ka hiharan’ny fandringanana. Na dia toa niseho ho salama tsara tetỳ ivelany — toy ilay aviavy — aza io firenena io, ny fijerena azy akaiky kokoa dia hampiharihary tsy fananam-pinoana izay nahatratra ny fara tampony tamin’ny fandavany ny Mesia. — Lioka 3:8, 9.

Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia nampitandrina ny amin’ireo “mpaminany sandoka” i Jesosy ary nanao hoe: “Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:15-20). Ireo tenin’i Jesosy ireo sy ny fitantarana ny amin’ilay aviavy voaozona dia mampiseho mazava tsara fa ilaintsika ny miambina eo amin’ny ara-panahy, satria mety hamitaka koa ny fisehoana ivelany ara-pivavahana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara