Nahazo Ilay Loka Izy
“NOHO ianareo no nahazoako izany rehetra izany”, hoy ny taratasin’i Kioye, mpianatra iray eo am-pamaranana ny fianarany any amin’ny lise, tamin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Japana. Inona no naha-velom-pankasitrahana azy toy izany? Vao haingana izay, i Kioye dia nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny fanoratana lahatsoratra, izay nalamin’ny Fikambanana Japoney Momba ny Fiarovana eo Amin’ny Fifamoivoizana. Tafiditra tao anatin’ilay valisoa nankasitrahany ny dia iray nankany Soeda.
Nanoratra i Kioye mba hanambarana ny fankasitrahany ireo zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara maro be avoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, izay heveriny fa nanampy azy be dia be teo amin’ny fahombiazany. Ankoatra io fifaninanana io, dia efa nisolo tena ny sekoliny izy tamin’ny fifaninanana tamin’ny fanaovana lahateny sy lahatsoratra maro. “Amin’ny ankamaroan’ireny fifaninanana ireny”, hoy izy, “dia omena ny foto-kevitra, ary dia manao fikarohana any amin’ny trano famakiam-boky ireo mpianatra mba hanoratana ny lahatsorany. Izaho anefa tsy mila manao izany ezaka rehetra izany. Eo amin’ny talantalam-boky ato an-trano ihany aho dia efa mahita fanazavana tsy misy ohatra izany!” Manampy teny toy izao izy: “Na manao ahoana na manao ahoana ilay foto-kevitra, na zava-manahirana momba ny fahanterana izany, na ny tontolo iainana, na ny fifandraisana iraisam-pirenena, na ny fanatsarana ny fahaizan’ny tena, mazàna dia misy famelabelarana lalina momba izany ao amin’ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!”
Kanefa tsy ireo zavatra vita an-tsoratra ihany no nanampy an’i Kioye. Milaza izy fa ny fanabeazana azony tamin’ny alalan’ireo fandaharana fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy azy hanatsara ny fahaizany mamaky teny sy manoratra, ka izany dia nahatonga azy ho ny faran’izay nahay tamin’ireo fifaninanana. “Nisy fotoana naniriako mafy ny hanohy fianarana tany amin’ny oniversite”, hoy ny fiekeny. “Kanefa aiza no hahazoako fampiofanana toy izao?” Izao izy dia manantena ny hiasa manontolo andro eo amin’ny fanampiana ny hafa handray soa koa avy amin’ilay fanabeazana azony. Na dia ravoravo aza i Kioye noho ilay loka tamin’ny fanoratana lahatsoratra, ny fony dia maniry mafy ny hahazo ny lokan’ny fiainana. — Ampitahao amin’ny Filipiana 3:14.