Tanteraka ny Faminaniana
REHEFA nangatahin’ny mpianany i Kristy Jesosy mba hanome azy ireo ny famantarana ny amin’ny fanatrehany tsy hita maso rehefa avy nahazo fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy, dia naminany ny amin’ny “fitomboan’ny fandikan-dalàna” izy. (Matio 24:3, 12, NW ). Moa ve tanteraka amin’izao androntsika izao io faminaniana io?
Izany tokoa! Ny boky hoe The United Nations and Crime Prevention, navoakan’ny ONU tamin’ny Oktobra 1991, dia manambara toy izao: “Ny heloka bevava lehibe dia zava-manahirana goavana tsy misy ohatra izany ho an’ny ankabeazan’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. Ny heloka bevava eo an-toerana dia tsy voafehin’ny ankamaroan’ireo firenena intsony ary ny heloka bevava mihoatra ny sisin-tanin’ireo firenena dia nihafaingana lavitra noho izay azon’ny olona eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena fehezina. (...) Ny heloka bevava ataon’ny fandaminan’olo-meloka dia niitatra tamin’ny fomba mahatahotra ka niteraka vokatra tena lehibe, raha ny herisetra ara-batana, sy ny fampitahorana ary ny fanomezana tsolotra ho an’ny manam-pahefana no jerena. Namono olona tsy manan-tsiny an’aliny maro ny fampihorohoroana. Nanjary loza maneran-tany ny fivarotana feno fanararaotana zava-mahadomelina mahery. Ny fanimbana ny tontolo iainana tsy amim-piraharahana dia nandray endrika sy fatra mahatahotra aoka izany, hany ka nanjary noraisina ho toy ny heloka bevava atao amin’izao tontolo izao mihitsy izy io.”
Fanafihana olona: Nitombo avy tamin’ny 150 isaky ny olona 100 000 tamin’ny 1970 izany ka tafakatra efa ho 400 isaky ny olona 100 000 tamin’ny 1990.
Halatra: Nitombo avy tamin’ny mahery kelin’ny 1 000 isaky ny olona 100 000 tamin’ny 1970 izany ka tafakatra ho 3 500 isaky ny olona 100 000 tamin’ny 1990.
Vonoana olona: Any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, dia nitombo avy tamin’ny 1 ka tafakatra ho 2,5 isaky ny olona 100 000 izany teo anelanelan’ny 1975 sy 1985. Any amin’ireo tany mandroso, ny fitomboana nandritra izany fe-potoana izany ihany dia avy teo amin’ny latsaka ny 3 ka tafakatra ho 3,5 mahery.
Heloka bevava mifandray amin’ny zava-mahadomelina: Manamarika toy izao ilay boky: “Ireo fandaminana mivarotra zava-mahadomelina lehibe indrindra dia manam-bola sy hery ara-piadiana ara-bakiteny betsaka lavitra noho ny Fitondram-panjakan’ireo firenena madinika, ary hatramin’izao izy ireo dia afaka nisakana ny fandrarana sy ny ezaka hampankatò lalàna avy amin’ireo tany mandroso.”
Ny fitomboan’ny heloka bevava amin’ny ankapobeny: Ampoizina hitombo avo roa heny ny isa 4 000 isaky ny olona 100 000 tamin’ny 1985 ka kely sisa dia hahatratra ny isa 8 000 amin’ny taona 2000.
Ny fitomboan’ny heloka bevava maneran-tany dia lafiny iray monja amin’ny faminanian’i Jesosy manondro fa miaina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” isika izao. (Matio 24:3, NW ). Hoy i Jesosy: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Lioka 21:31.