Ny Fijinjana Nataon’ny Tena Evanjelisitra Marina Iray
NANKANY Afrika voalohany i William R. Brown tamin’ny 1923. ‘Nanao ny asan’ny evanjelisitra’ tany Gambie, Ghana, Libéria, Nizeria, ary Sierra Leone izy, niaraka tamin’ny vady aman-janany. (2 Timoty 4:5). Nahavariana ny vokatry ny asany.
Tsy mpikambana tao amin’ny fiangonana iray ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana akory io teratany avy any amin’ireo nosy Caraïbes io, ary azo antoka fa tsy nitsabaka tamin’ny politika izy. Nanahaka an’i Jesosy sy ireo apostoly kosa izy tamin’ny fampahafantarana ny olona ny anarana sy ny fiandrianan’i Jehovah, tamin’ny fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny avotra, ary tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. (Matio 9:35; 20:28; Jaona 17:4-6). Nampiasa foana ny Baiboly i William R. Brown, nanondro azy io ho toy ny fahefana farany teo amin’ny raharaha nahakasika fampianarana ny finoana. (2 Timoty 3:16). Nanantitrantitra aoka izany ny amin’io izy, hany ka fantatra tamin’ny anarana hoe Brown Baiboly.
Noho ny fitahian’i Jehovah, ny voa nafafin’i Brown Baiboly dia nitsiry ary nitombo. Ankehitriny, any amin’ireo tany izay nitarihany lalana, dia Afrikana efa ho 200 000 no nanolotra ny fiainany ho an’ny Mpamorona azy, ary ho setrin’izany, dia mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny hafa. (Matio 24:14; 1 Korintiana 3:6-9). Ireny Kristiana marisika ireny dia fantatra hatraiza hatraiza noho ny fanaovany ny marina sy noho izy ireo mendri-pitokiana. Mirehareha noho ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy sy ny olom-pehezin’i Kristy, ilay Mpanjaka efa manapaka, azy izy ireo.
Ny fijinjana toy izany dia vokatry ny tena fanaovana ny asan’ny evanjelisitra kristiana marina. Misy vokatra mitovy amin’izany eo am-pijinjana azy manerana izao tontolo izao any amin’ny kaontinanta rehetra misy mponina. Any amin’ny tany maherin’ny 200, dia lehilahy sy vehivavy malemy fanahy maherin’ny efatra tapitrisa no “voajinja” sady mamerina amin’ny hafa ny tenin’ilay anjely manao ny asan’ny evanjelisitra hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany”. (Apokalypsy 14:7). Raha ny marina, ny hany fomba hahitana fanantenana amin’izao taona mikorontana misy antsika izao, dia ny fitodihana any amin’Andriamanitra sy ny fanekena ny fanapahan’ny Fanjakany.