Hopitaly Nanan-daza Ara-tantara Lasa Efitrano Fanjakana Tsy Manam-paharoa
TAMIN’NY 1770, ny Lietnà James Cook, mpizaha tany malaza anglisy, dia namily ilay sambo 369 taonina Endeavour nanaraka ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia izay mbola tsy nisy nizaha mihitsy. Tamin’ny takarivan’ny 11 Jona, dia nidona tamin’ny haran-dranomasina ilay sambo, tany amin’ny faritra lavitra iray nianavaratra an’ilay kaontinanta. Simba be ilay vatan-tsambo vita tamin’ny hazo oaka. Nilaina maika ny fanamboarana mba hahatafita velona ireo tantsambo rehetra. Ilay vinany akaiky indrindra teo no hita fa toerana nety indrindra ho an’ilay fanamboarana izay naharitra iray volana sy tapany. Telo amby zato taona tatỳ aoriana, dia nahitana volamena tao amin’io faritra io. Nanomboka nirohotra mba hitady volamena àry ny olona! An’aliny maro no tonga tany mba hanandrana hitady harena. Niforona ny tanànan’i Cooktown.
Tamin’ny 1879 dia nahazoan-dalana tamin’ny fanjakana ny fanorenana hopitaly maharitra iray hikarakarana ireo narary sy naratra tamin’ireo lozam-pitrandrahana volamena. Tamin’io taona io ihany, tany amin’ny ilany hafa iray amin’izao tontolo izao, ny 1 Jolay, dia nivoaka ny fanontana voalohany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona. Hatramin’izay, io gazety io dia nanolotra fandaharana mba hahasalama ara-panahy olona matahotra an’Andriamanitra an-tapitrisany maro. Mbola tsy fantatra tamin’izay hoe hifamatotra akaiky amin’io gazety io anie ilay trano be hopitalin’i Cooktown indray andro any.
Zato taona mahery tatỳ aoriana, dia nilaina hosoloana ny Hopitalin’i Cooktown. Nisy volam-panjakana azo nampiasaina ho an’ny fanorenana vaovao iray, koa dia nantsoina ireo izay liana mba hilaza ny vola angatahiny amin’ny fanesorana ilay hopitaly tranainy. Naneho fahalianana lehibe tamin’io trano nanan-daza ara-tantara io ny National Trust tany Queensland. Ny vola notombanana fa ho lany tamin’ny famindran-toerana an’ilay trano sy ny famerenana azy tamin’ny endriny voalohany anefa dia be loatra. Koa tsy nisy nanao fanolorana ho amin’izany.
Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay koa, ny kongregasiona kelin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Cooktown, dia nitady toerana raikitra mba hanaovany fivoriana kristiana. Tsy nanan-tany izy ireo ary tsy nanana afa-tsy vola 800 dolara aostraliana. Ahoana no hahafahany hanorina Efitrano Fanjakana? Ireo solontenan’ilay kongregasiona teo an-toerana dia nanolo-tena an-tsitrapo mba hamindra toerana ilay hopitaly tsy nisy fangataham-bola ho karama. Ahoana no hitarihan’i Jehovah ilay raharaha? Nisy vaovao nandrisika ny saina! Nekena ny fanoloran’izy ireo!
Ny raharaha nanaraka izao dia ny tany hanorenana ilay trano. Eny, nisy nilaza tamin’izy ireo fa ny tanim-panjakana, hono, dia nety ho azo maimaimpoana raha toa ka tsy simba sy voaverina tamin’ny endriny voalohany ilay trano. Tamin’izay fotoana izay anefa dia nitombo ny fanoherana an’io volavolan-kevitra naroso io avy tamin’ny tapany iray nankahala teo amin’ilay fitambaran’olona. Nisy fangatahana ara-dalàna nomanina, natao mba hisakanana ny fikasan’ny Vavolombelona. Nandeha ny tsaho fa hofehezin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Cooktown, hakatony ny hotely sy ireo toeram-pilokana rehetra, ary horarany ny fivarotana sigara sy paraky. Mazava ho azy fa tsy nitranga mihitsy izany, kanefa dia nanjary nihasarotra hatrany ny fahazoana ilay tany ho faritra voatsinjara ara-dalàna indray sy ireo fanomezan-dalana nilaina mba hanorenana. Nanatona haingana dia haingana ny fotoana farany voatendry hanesorana ilay trano. Notadiavina ny fisalovanan’ny Fitondram-panjakan’i Queensland. (Ampitahao amin’ny Romana 13:2.) Vetivety dia azo ny fahazoan-dalana hampiasa ny tanim-panjakana, ary nivoaka ny taratasy fahazoan-dalana hanorina. Ananan’izy ireo izao ny tany sy ny trano, koa inona indray ny manaraka?
Tonga tany ny antokona mpiara-miasa voaforon’ny Vavolombelona an-jatony maro, mpanan-talenta manokana sy mpanampy za-draharaha avy tany amin’ny faritra samihafa amin’ny Fanjakan’i Queensland, izay nanolotra mamaimpoana ary an-tsitrapo ny fotoanany, sady efa nampitombo fahakingana teo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana haingana dia haingana. Nisy zava-tsarotra manokana tsy maintsy natrehina tamim-pahombiazana tamin’io volavolan-kevitra io: ny famindrana tany amin’ilay toerana vaovao ireo tapatapany avy tamin’ny fitsinjarana ilay hopitaly nisy rihana, sy ny fanambatambarana azy ireo indray ho trano avy eo. Nanatona haingana ny fotoanan’ny mousson (rivotra mafana sy mando) izay nandrahona tamin’ireo orambe nivatravatra. Ho vita ara-potoana ve ilay asa? Nanana fisalasalana ny mponina sasany tao an-tanàna. Tsy ela anefa dia tontosa izay noheverin’ny sasany fa zavatra tsy azo notanterahina. Tamin’ny Aprily 1986, dia voafindra toerana ilay trano ary taorian’izay dia tafaverina tamin’ny voninahitra nananany tany am-boalohany.
Tsy hoe tsy nisy nahamarika akory izany fihetsiketsehana rehetra izany, araka ny miharihary amin’ny fanazavana tao amin’ny Anglican Newsletter tao Cooktown. Izao no zavatra sasany nolazainy: “Tsy isalasalana fa hisy hanakiana ahy, kanefa (...) topazo maso ny manodidina ny Fiangonana dia jereo fa tsy feno olona izany, ary topazo maso ilay antokon’olona hafa [Vavolombelon’i Jehovah] ka jereo fa mihamaro hatrany ny manatrika ireo fivoriany (...), mihafeno amin’ireo Anglikana sy Katolika Romana. (...) Fantatrareo ve fa nisy fikambanana iray (...) nividy ilay Hopitaly tranainy mba hanovana azy io ho izay antsoin’izy ireo hoe trano fiangonana satria kely loatra ilay Sekoly ka tsy omby azy rehetra? (...) Endre izany fahalementsika namela izany hitranga.”
Mpizaha tany an’arivony maro no mitsidika an’i Cooktown isan-taona. Tonga izy ireo mba hahita fahafinaretana amin’ny hakanton’ny alan’ny tany mafana sady mando sy ny Grande Barrière de corail ary mba hianatra ny amin’ny tantaran’ilay faritra. Ny Tranom-bakoka Kapiteny Cook dia toerana manintona ny ankamaroan’ny mpizaha tany. Hatramin’ny 1989, ilay Hopitalin’i Cooktown manan-daza ara-tantara, izay lasa Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao, dia nanjary toerana lehibe manintona mpizaha tany koa. Ireo magazay mpivarotra zavatra atao fahatsiarovana dia mivarotra lamba famafana lovia sy T-shirts misy ny sarin’ilay Hopitaly-Efitrano Fanjakana ao Cooktown vita pirinty eo aminy. Mandritra ny fotoana maha-betsaka ny mpizaha tany, dia olona eo amin’ny eninjato ka hatramin’ny arivo eo ho eo no mitsidika ilay trano isan-kerinandro mba hijery voalohany indrindra ny maritrano tsy manam-paharoan’ny taona 1879 ananany.
Ilay gazety fantatra amin’izao fotoana izao amin’ny anarana hoe Ny Tilikambo Fiambenana dia misy maro dia maro ho an’ireo mpitsidika. Hatramin’ny 1879, dia nitombo ny isan’io gazety io navoaka, gazety maherin’ny 15 tapitrisa isaky ny tapa-bolana amin’ny fiteny 111. Izy io dia mampitodika ny olona ho amin’ny fampanantenan’ny Baiboly hoe: hisy ho velona ny taranaka tamin’ny 1914 mba hahita ny fahasalamana ara-batana sy ara-panahy hiverina amin’ny taranak’olombelona. (Isaia 33:24). Hovana ho paradisa ny tany manontolo amin’ny alalan’ny mpiasa an-tsitrapo an-tapitrisany maro. (Salamo 37:29). Nahoana raha mba mitsidika ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra ny toerana misy anao? Hahita zavatra sarobidy lavitra noho ny volamena rehetra notrandrahina tao amin’ny faritr’i Cooktown ianao. — Ohabolana 16:16.