Toy ny Voromahailala Manidina ho any Amin’ny Tranony
NY VOROMAHAILALA angamba no anisan’ireo vorona voalohany nofolahin’ny olona ho tonga fiompiny. An’arivony taona maro lasa izay, ireo Egyptiana — izay nitsinjo tamim-pitandremana ny hanana tahirin-tsakafo nandritra ny taona — dia nanangana tranom-boromahailala teo akaikin’ny fonenany. Nankafizina tokoa ny henam-borona, ary ny malotony dia natao zezika. Hatramin’ny Moyen-Âge, dia fananana notsiriritina aoka izany ny tranom-boromahailala, hany ka tany amin’ny tany sasany, dia ireo andriandahy sy ireo fikambanana ara-pivavahana ihany no navela hanana azy.
Na dia naka ny toeran’ny voromahailala aza amin’izao andro izao ny akoho, izay nanjary ny hena fahita eo amin’ny ankamaroan’ny latabatra, dia mbola mety ho hita ihany ny tranom-boromahailala sasany, efa tranainy be. Ny tranom-boromahailala eto amin’ny sary dia hita any Egypta.
Rehefa miverina manao andiany izy ireo amin’ny takariva, dia vorona toy ny rahona mihitsy no midina mankeo amin’ilay tranom-boromahailala. Nanisy firesahana ny amin’izany ny mpaminany Isaia rehefa nanontany hoe: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?” Toy izao no nilazan’ny fandikan-teny hafa iray azy: “Iza moa ireto manidina hoatra ny rahona, sy hoatra ny voromailala ho eo amin’ny tranony?” — Isaia 60:8; Baiboly katolika.
Ny valiny dia hita amin’izao fotoana izao eo amin’ireo olona matahotra an’Andriamanitra ana hetsiny maro izay mahaforona andiany iray ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy ireo dia mianatra ny hanantena an’Andriamanitra. (Isaia 60:9, NW). Eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, izy ireo dia tonga amin’ny fahafantarana fa ireo zava-tsarobidy ara-panahy sy ny finoana velona, ary ny fisakaizana mahasoa dia mitondra fahatsapana fiadanana sy tsy fananana ahiahy toy izay hitan’ny voromahailala ao anatin’ny tranony.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.