Tonga Izy Ireo na dia teo aza ny Zavatra Nampanano-sarotra sy ny Loza
NY DATY dia ny 2 Janoary 1992. Ny toerana — Maxixe, provansan’i Inhambane. Tapaka tampoka ireo feo re amin’ny alina afrikana tany Mozambika rehefa nandeha ny vata fandraisam-peo iray. “Manao ny Fivoriambeny hoe ‘Ireo tia fahafahana’ eto amin’ny provansantsika ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny nambaran’ilay mpiteny tao amin’ny fampielezam-peo. “Ny zava-kendren’izy ireo dia ny hampianatra ny olona ny amin’ny fomba ahazoana ny tena fahafahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Asaina ny rehetra mba hanatrika izany.”
Tany amin’io faritra lavitra any Afrika io, dia teo am-pitrangana ny zavatra nanan-tantara iray! Vao voalohany no nisian’ny fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah nalamina tany, ary nisy olona 1 024 nifaly tamin’izany. Taona vitsivitsy lasa izay, ny fisehoan-javatra toy izany dia tsy ho nitranga niharihary toy izany mihitsy tany Mozambika, satria voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Irinao ve ny handre ny amin’ny sorona feno herim-po natao mba hanatrehana io fivoriambe io?
Ny provansan’i Inhambane, sahala amin’ireo faritra maro hafa ao Afrika, dia kanto dia kanto. Mivezivezy eny amin’ny ranomasina manamorona azy ny sambo mpanjono misy lay telozoro mitovitovy amin’ny dhows [sambo arabo]. Maro be ny voanio. Misy matoatoa mampatahotra iray anefa mitsaitsaika manatona eny ambanivohitra: ny ady an-trano izany!
Ho an’ireo matory ao amin’ny trano falafa, vao maraina be, dia tsy zavatra maningana izany hoe tairin’ny boum-boum-boum midoboka avy amin’ireo tafondro any ambanivohitra tsy lavitra eo raha mbola rafitra ny ady anaty akata mandritra ny alina. Matetika tokoa dia ireo olom-pirenena tsy manan-tsiny no mijaly. Indraindray dia misy ankizy hita mikotringa noho ny ratsam-batana tsy eo, na voatery nesorina. Na dia ny sasany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza dia mitondra holatra eny amin’ny tarehiny na eny amin’ny vatany vokatry ny herisetra nampiharina taminy.
Tao anatin’izany toe-javatra izany, dia nankasitrahan’ireo mpanatrika rehetra lalina tokoa ny Fivoriambe “Ireo tia fahafahana”. Na dia teo aza ny mety hisian’ny otrika teny an-dalana nankany amin’ny fivoriambe, dia antokona fianakaviana maro avy teny amin’ny faritra ambanivohitra no tapa-kevitra ny ho tonga. Tsy mora koa anefa ny fandehanana nankany satria ny fitateram-bahoaka dia natao indrindra tao amin’ny aorian’ny kamiao lehibe tsy mitafo. Indraindray dia misy mpandeha hatramin’ny 400 no mifanizina ao amin’ny kamiao iray! Maromaro amin’izany kamiao izany no mifanao aloha sy aoriana mba hahaforona fiara maro miray dia, izay otronin’ny miaramila mitam-piadiana.
Fianakaviana iray nanao vivery ny ainy tamin’ny fanaovana dia toy izany i Nora sy ny zanany telo vavy izay herintaona, sy telo taona ary enin-taona. Nanangom-bola nandritra ny volana maro mialoha izy mba hahafahana hanao izany dia izany. Tsy nahakivy azy ny tsy fisian’ny zavatra voavoatra ho an’ny vahiny tany amin’ny fivoriambe. Niaraka tamin’ny maro hafa, i Nora sy ny fianakaviany dia nahandro sakafo, nihinana ary natory tsotra fotsiny teo amin’ilay tany malalaka nisy ny fivoriambe mihitsy.
Na dia ny hafanana mingaingaina fahita amin’ny tany mafana, arahin’ny oram-be mivatravatra aza dia tsy afaka nampihena ny hafaliana tsy omby tratra nananan’ireo rahalahy niara-nifaly tamin’ny fanasana ara-panahy iray. Tsapan’izy ireo fa tsy nisy zava-dehibe kokoa ho azy ireo noho ny fahatongavana tao amin’izany fivoriambe izany. Fito ambin’ny folo no totalin’ny olona nanamarika ny fanolorany tena tao amin’ny rano mafanan’ny Oseana Indiana. Raha mbola teo am-panaovana batisa, dia voatosika ho azy hihira fiderana an’i Jehovah ny vahoaka sesehena voaforon’ireo mpitazana falifaly.
Io antokon’olona mpivavaka io dia nahita marina tokoa ny atao hoe tonga olona tia ny fahafahana araka an’Andriamanitra. Hoy i Hans, solontena iray avy tany Maputo, renivohitra: “Vao fanombohan’ny toko vaovao amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io faritra ao Afrika io fotsiny no hitantsika.”