Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mitondra Vokatra ny Fiasana any Amin’ireo Faritany Mitokana any Paraguay
FANTATRY ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Paraguay tsara fa ilaina hatao ny fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana eo amin’ny faritaniny rehetra. (Asan’ny apostoly 1:8). Izao no fotoana tokony hianaran’ny rehetra momba ilay Fanjakana, sy hanompoany an’i Jehovah alohan’ny hamaranany ity fandehan-javatra ratsy ity amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy. (Matio 24:21, 22). Ireto fitantarana manaraka ireto dia mampiseho izay atao any mba hanampiana ny olona any amin’ireo faritany tsy nanendrena mpitory hiasa. Manao izao tatitra izao io sampana io:
Natao ny fandaharana mba hiasana ireo faritany rehetra tsy nanendrena mpitory hiasa, tamin’ny alalan’ny mpitory maharitra manokana vonjimaika. Nandritra ny volana Novambra ka hatramin’ny volana Janoary tamin’ny taom-piasana 1990, dia nisy rahalahy sy anabavy 39 niasa tany amin’ny fitambarana tanàn-dehibe sy kely kokoa zato izay mbola tsy misy mpitory ilay Fanjakana mihitsy. Afaka nizara boky 6 119, bokikely 4 262 ary gazety 5 144 izy ireo. Ho vokatr’io asa io, dia nisy antokona mpitory vaovao voaforona.
◻ Nanaiky ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany tamin’ny anabavy mpitory maharitra iray niasa tamin’ny faritany tsy nanendrena kongregasiona, ny vehivavy iray. Nanolotra fampianarana Baiboly taminy ilay mpitory maharitra ary dia nanaiky tamim-pifaliana izy. Rehefa niverina tany ilay mpitory maharitra, dia tsy ilay ramatoa ihany no niandry azy fa ny vadiny sy ireo zanany folo koa. Tamin’ny fitsidihana nanaraka, dia vonona ho amin’ny fampianarana Baiboly ilay fianakaviana ary koa ireo namany sy mpifanila trano taminy! Nasain’ilay ramatoa izy ireo tamin’ny filazana taminy fa tsara dia tsara ilay fianarana, sady mahatalanjona ireo fampanantenana sy fitahiana omen’i Jehovah. Izany dia zavatra mbola tsy nisy nilaza taminy mihitsy hatramin’izay, ka noheveriny fa tokony hahare momba io vaovao tsara io koa ireo mpifanila trano aminy sy ireo namany.
Isaky ny nitarika ilay fianarana ilay mpitory maharitra, dia be dia be aoka izany ireo nanatrika ka toa toy ny kongregasiona kely mihitsy. Nanontany zavatra betsaka ireo olona liana ireo, no sady nandray anjara tamin’ilay fianarana. Rehefa nanazava ilay mpitory maharitra fa, raha vao voasa ilay faritany, dia ho voatery ho any amin’ny toerana vaovao indray izy sy ireo namany, dia feno fanahiana ilay ramatoa ka nanontany hoe inona no hanjo azy ireo. Natao ny fandaharana mba hanohizan’ireo rahalahy avy ao amin’ny kongregasiona akaiky indrindra ilay fampianarana. Ankehitriny dia misy mpitory maharitra manokana notendrena mba hanampy ireo olona liana oharina amin’ny ondry ireo.
◻ Rehefa nandeha nitory isan-trano tany amin’ny faritany hafa iray tsy nanendrena mpitory hiasa ny anabavy mpitory maharitra iray dia nahita lehilahy efa nahazo ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay folo taona tany ho any talohan’izay. Hatramin’izay fotoana izay, dia tsy nanana fifandraisana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy. Kanefa fantany fa i Jehovah, izay nantsoiny hoe Jehovah-n’ny tafika, no hany Andriamanitra marina ary koa fa Izy io irery ihany no tokony hotolorana fanompoam-pivavahana. Noho ny fanapahan-keviny manokana ihany, dia niresaka momba an’i Jehovah tamin’izay rehetra fantany izy. Raha ny marina, isan-kerinandro, dia nanao dia an-tongotra telo kilaometatra izy mba hitsidihana mpivady liana iray mba hiresahana tamin’izy ireo momba an’Andriamanitra satria, araka ny filazany, ‘Raha mitsahatra tsy mitsidika azy ireo aho, dia hanadino an’i Jehovah izy ireo.’ Ankoatra io mpivady io, dia nisy olona hafa teo amin’ny folo teo ho eo naniry fampianarana Baiboly — izany rehetra izany dia satria nitory tamin’izy ireo io olona liana io.
Mahavariana fa andro vitsivitsy monja talohan’ny nitsidihan’ilay mpitory maharitra azy, dia tsy namela ny pretra iray teo an-toerana sy ny mpanaraka azy hiditra ny tranony nitondra sarin’ny virijina io rangahy io, tamin’ny fanazavana tamin’izy ireo fa tsy nino ny sary izy. Romotra ilay pretra. Ny alin’iny, ilay rangahy dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana. Koa alao sary an-tsaina ny fahataitairany sy ny hafaliany rehefa tonga nitsidika azy ilay mpitory maharitra! Natao avy hatrany ny fandaharana mba hisian’ny fampianarana Baiboly voalamina tsara, ary dia manohy mandroso miaraka amin’ny fandaminana teokratika io rangahy io.
Marina tokoa fa mitahy ny asa fanangonana any Paraguay i Jehovah, eo am-piezahan’ireo rahalahy any hanao fanambarana amin’ny fomba lalina any amin’ireny faritany tsy nanendrena mpitory hiasa ireny. — Matio 24:14.