FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/3 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Tiberio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka Roa
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Kaisara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/3 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

◼ Nahoana ny taona 29 am.fan.ir. no heverina ho daty fototra eo amin’ny tantaran’ny Baiboly fa tsy ny 14 am.fan.ir., nanombohan’ny fanjakan’i Tiberio Kaisara, izay resahina ao amin’ny Lioka 3:1?

Tsy resahina ao amin’ny Baiboly ny nanombohan’ny fanjakan’i Tiberio, fa ny fisehoan-javatra iray nitranga tany amin’ny faramparan’ny taona faha-15 nanjakany no voaresaka ao. Izany dia mamela ireo mpianatra ny Baiboly hametra ilay fisehoan-javatra nitranga tamin’ny 29 am.fan.ir., izay azo heverina ho daty fototra iray araka ny fijerin’ny Baiboly.

Ekena tanteraka eo amin’ny tantara ny nanjakan’i Tiberio Kaisara, emperora faharoan’i Roma. Milaza toy izao Ny firaketana britanika vaovao (anglisy): “Tamin’ny 14 AD, tamin’ny 19 Aogositra no maty i Aogosto [emperora voalohany]. I Tiberio, ambony indrindra izao dia nampiasa ny Antenimieran-doholona ary tsy namela azy io hanendry azy ho emperora nandritra ny efa ho iray volana, nefa tamin’ny 17 Septambra, dia nandimby ny andriamanjaka izy.”a

Io fotoana noferana ho nanombohan’ny fanjakan’i Tiberio io dia mifandray amin’ny Baiboly satria milaza toy izao ny amin’ny fanompoan’i Jaona mpanao batisa ny Lioka 3:1-3: “Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, (...) dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’Andriamanitra. Ary nankany amin’ny tany rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.”

Mbola tsy nanomboka nitory sy nanao batisa i Jaona fony i Tiberio tonga emperora, fa nanao izany kosa izy “tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara”. Io taona fahadimy ambin’ny folo io dia nahafaoka ny fararanon’ny 28 am.fan.ir. ka hatramin’ny fararanon’ny 29 am.fan.ir. Ny fahafantarana izany anefa dia tsy mahatonga ny olona iray ho afaka hamaritra mazava ny amin’ny fotoana nanombohan’ny fanompoan’i Jaona nandritra io taona io, na ny amin’ny fomba fikajiana ireo fisehoan-javatra voatantara.

Ny Baiboly anefa dia manome antsika fanampim-panazavana lehibe dia lehibe. Ohatra, ny faminanian’i Daniela momba ny “fito-polo herinandro” dia manondro ny 29 am.fan.ir. ho ny nisehoan’ny Mesia. Manondro ihany koa izy io fa ho telo taona sy tapany ny faharetan’ny fanompoan’i Jesosy. (Daniela 9:24-27). Manampy izany ireto antsipiriany ao amin’ny Baiboly ireto: teraka enim-bolana taorian’i Jaona i Jesosy; fony i Jesosy natao batisa dia “tokony ho efa telo-polo taona” izy; ary maty i Jesosy tamin’ny lohataonan’ny 33 am.fan.ir. (fotoan’ny Paska), rehefa feno 33 taona sy tapany izy. — Lioka 1:24-38; 3:23; 22:14-16, 54.b

Noho ny fanazavana ara-baiboly hentitra toy izany, mitambatra amin’ny filazana tsy ara-pivavahana momba ny daty nanjakan’i Tiberio, dia azon’ny mpianatra ny Baiboly atao ny manao kajy fa nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 29 am.fan.ir. ny fanompoan’i Jaona ary enim-bolana taorian’io, tamin’ny fararanon’ny 29 am.fan.ir. no nanao batisa an’i Jesosy i Jaona.

Noho izany, dia tsy ny 14 am.fan.ir. fa ny 29 am.fan.ir. no heverina ho ny daty fototra araka ny fijerin’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny 17 Septambra ao amin’ny fanisanandro joliana dia mifanandrify amin’ny 15 Septambra ao amin’ny fanisanandro gregoriana, dia ilay fanisanandro be mpampiasa indrindra amin’izao andro izao.

b Ampitahao amin’ny Insight on the Scriptures, Boky voalohany, pejy faha-458, 463, 467; Boky faharoa, pejy faha-87, 899-902, 1099, 1100, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara