“Nampifoha Ahy Izy Io”
Izany no nolazain’ny vehivavy iray avy any amin’ny fanjakan’i Washington, any Etazonia, momba ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? Nanazava izy hoe:
“Nandritra ny efa-taona, dia tonga tsy tapaka tao am-baravarako ny Vavolombelon’i Jehovah iray, ary namela gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nampirisika ahy hianatra izy. Nasainy namaky ilay boky Création aho rehefa ela ny ela, ary dia nanao izany aho. Nampirisika ahy hivavaka izy, ary dia nanao izany aho. Nikosoka ny fisalasalana rehetra io boky io, ary nitondra fanampiana avy amin’i Jehovah ny vavaka. (...)
“Fantatro izao fa tena misy Andriamanitra. Fantatro ny anarany hoe Jehovah. Fantatro fa mihaino vavaka izy. Fantatro ny antony mahatonga ny toe-draharaha ho toy izao. Ao anatin’ny fiadanana aho, ary mitombo ny fiadanako isan-kerinandro, arakaraka ny hianarako misimisy kokoa.”
Hambabo ny sainao io boky mahafinaritra io, izay misy filazalazana marina momba izao rehetra izao sy ireo antsipiriany be kojakojany mahatonga ny fetezan’ny fiainana eto ambonin’ny tany.
Raha maniry hahazo iray amin’io zavatra vita an-tsoratra feno sary tsara tarehy io ianao, dia fenoy, aza fady, ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)
[Sary, pejy 32]
Les évolutionnistes disent: “Il n’est pas nécessaire de faire un gros effort d’imagination pour concevoir qu’une plume soit une écaille [de reptile] modifiée.” Les faits montrent qu’il en va autrement
Tuyau
Barbes
Barbules
Barbicelles