FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/2 p. 8-9
  • Ny Fitondran’ireo Papa — Naorin’i Kristy Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fitondran’ireo Papa — Naorin’i Kristy Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • I Petera ve no Papa Voalohany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Aoka Isika Hihazona Mafy ny Finoantsika Sarobidy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/2 p. 8-9

Ny Fitondran’ireo Papa — Naorin’i Kristy Ve?

“MANELANELANA an’i Piera, ilay Evekan’i Roma voalohany, sy ny papantsika amin’izao fotoana izao, i Joany Paoly faha-2, dia nitohy hatrany ny fifandimbasana Pontifa fara tampony maro be — mihoatra ny 260, raha ny marina.” Toy izany no filazan’i Anthony Foy, frera katolika iray tao amin’ny The Southern Cross, gazety katolika mpivoaka isan-kerinandro atsy Afrika atsimo. Manohy ny teniny izy hoe: “Any amin’io fifandimbasana papa tsy tapaka io no hitarihantsika amim-pitokiana ny saina, rehefa angatahina isika hanaporofo fa ny Eglizy katolika dia naorin’i Jesoa Kristy.”

Moa ve azo lazaina amin’ny fomba azo antoka fa io fifandimbasana papa maro io dia niantomboka tamin’ny apostoly Petera? Araka ny teôlôjia katolika, dia papa efatra, i Lino, i Anaclète, i Clement I, ary i Evariste no lazaina fa nandimby an’i Petera hatramin’ny taona faha-100 am.fan.ir.. Miresaka tokoa ny amin’ny kristiana iray antsoina hoe Lino izay nonina tao Roma ny Baiboly. (2 Timoty 4:21). Kanefa, tsy misy na inona na inona mahatonga hihevitra fa io Lino io, na ny olon-kafa, dia nandimby an’i Petera tamin’ny naha-papa azy. Tsy nanisy firesahana mihitsy ny amin’ireo rehetra voalaza etsy ambony hoe mpandimby an’i Petera ny apostoly Jaona izay nanoratra boky dimy ao amin’ny Baiboly tao anatin’ireo folo taona farany tamin’ny taonjato voalohany. Marina tokoa fa raha nisy mpandimby i Petera tamin’izany, moa ve tsy ho ny tenan’i Jaona no nofidina araka ny fandrindran-kevitra?

Momba ilay filazana fa i Petera no evekan’i Roma voalohany, dia tsy misy akory aza porofo fa nitsidika io tanàna io izy. Raha ny marina, dia ny tenan’i Petera mihitsy no manantitrantitra fa nanoratra ny taratasiny voalohany tany Babylona izy. (1 Petera 5:13). Ny fanaporofoan-kevitry ny katolika miorina amin’ny hoe nampiasain’i Petera ny teny hoe “Babylona” mba hanondroana amin’ny fomba miafina an’i Roma dia tsy marim-pototra. Nisy tamin’ny andron’i Petera ilay tena Babylona. Ankoatra izany, dia nisy vondrona Jiosy maromaro ihany tany Babylona. Koa satria i Jesosy nanendry an’i Petera mba hampiompana ny fitoriany amin’ireo Jiosy voafora, dia tena mety ny hinoana fa nitsidika an’i Babylona noho io zava-kendrena io i Petera. — Galatiana 2:9.

Mariho koa fa na oviana na oviana dia tsy nilaza zavatra hafa ny amin’ny tenany ankoatra ny maha-apostolin’i Kristy azy izy. (2 Petera 1:1). Tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly ny fiantsoana azy ho toy ny “Ray masina”, “Pontifa fara tampony”, na “Papa”. Mifanohitra amin’izany fa nifikitra tamim-panetren-tena tamin’ireto tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 23:9, 10 ireto izy: “Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy”. Tsy nanaiky fankalazana i Petera. Rehefa “niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy” ilay mpitari-tafika romana atao hoe Kornelio . . . , dia nampitsangana azy i Petera, ka niteny hoe: ‘Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.’ ”—Asa. 10:25, 26.

Raha ny amin’ireo olona 260 lazaina fa papa, dia niaiky toy izao ny pretra Foy: “Maro amin’izy ireo no tsy mendrika ny andraikitra ambony notanany.” Mba hanandramana hanala tsiny izany, dia milaza ny Firaketana katolika vaovao hoe: “Izay manan-danja eo amin’ny zava-kendren’ny fitondrana dia ny andraikitra fa tsy ny toetra manokan’ny papa tsirairay. Nety ho olo-masina, na ho olona tsy dia nanao ahoana na koa ho olona tsy nanjary aza izy.” Kanefa inoanao ve fa i Kristy dia ho nampiasa olona toy izany mba hisolo tena azy?

Na manao ahoana na manao ahoana, dia tsy voamarina velively ao amin’ny Baiboly ny fanizingizinana fa ny fanjakan’ireo papa dia naorin’i Jesosy. Araka ny Encyclopedia of Religion, na dia ireo mpivaofy teny katolika maoderina aza dia miaiky fa “tsy misy mihitsy ny porofo ara-baiboly mivantana ny amin’ny nanorenan’i Jesosy ny fitondran’ireo papa ho toy ny andraikitra maharitra eo anivon’ny eglizy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara