Manampy mba Hahazoana Loka ny Réveillez-vous! any Italia
Tamin’ny herintaona dia nisy ankizivavy mpianatra iray any Italia nanao lahatsoratra mitondra ny foto-kevitra hoe: “Raha afaka niteny ny tany.” Ilay lahatsoratra dia natao toy ny resadresaka iray nifanaovan’ny tany sy ny zazakely iray nanontany azy ny antony nitomaniany. Manazava toy izao ilay ankizivavy mpianatra:
“Namaly ny tany fa voaloton’ny rahon-tsetroka izay niteraka fanafanana azy izy. Nanohy niresaka tamin’ilay zaza ny tany ary nilaza fa tsy ho ela dia hiova ny toe-draharaha ary ho tsara kokoa ny hoaviny, tsy hoe noho ny olombelona. Ny fanantenan’ny tany dia Andriamanitra Tsitoha, Mpamorona azy, izay tsy namorona ny tany ho tsy misy endrika fa mba honenana. — Isaia 45:18.”
Niteny toy izao, ambonin’izany, ilay ankizivavy mpianatra: “Tao amin’ny gazety Réveillez-vous! tamin’ny 22 Jolay 1989 sy ny 8 Septambra 1989 ary ny 22 Septambra 1989, no nangalako ilay fanazavana. Noho ireo gazety ireo, dia nahazo ny loka voalohany ny lahatsoratro. Ny loka faharoa dia azon’ny mpiray kilasy amiko iray izay anisan’ny lalana fizarana gazetin’ny reniko ny reniny. Naka fanazavana avy tao amin’ireo gazety Réveillez-vous! ireo ihany koa izy.
“Misaotra anareo noho izany fanazavana tsara sy mazava ary koa tsotra izany, izay nahatonga anay hahira-tsaina. Ny loka azoko dia vola 100 000 lire [200 000 FMG eo ho eo], ary nalefako io vola io mba hampiasaina hanontana gazety maromaro kokoa.”
Heverinay fa na inona na inona antokom-pivavahana misy anao, dia handray soa avy amin’ireo lahatsoratra mambabo fo ao amin’ny Réveillez-vous! koa ianao.
Iriko ny handefasana gazety Réveillez-vous! atỳ an-tokantranoko. Ampiarahiko amin’ny alalan’ny mandat-poste ny fandraisana anjara an-tsitrapo 11 000 FMG (famandrihana herintaona “par avion”, amin’ny fiteny frantsay). Ampahafantaro ahy, aza fady, ny saran’ny famandrihana amin’ny fiteny hafa.