Moa ve ny Siansa Afaka Manohitra ny Fahagagana
Tena nitranga ve ireo fahagagana ao amin’ny Baiboly? Misy olona maro, anisan’izany ny mpahay siansa sy filoha ara-pivavahana maro, mamaly hoe tsia. Mahatsapa izy ireo fa ny finoana ireo fahagagana dia anisan’ny vanim-potoan’ny finoanoam-poana ary toherin’ny siansa amin’ny andro ankehitriny ny fetezan’ny fitrangan’izy ireny. Noho izany, dia mendrika ny homarihina ity taratasy manaraka ity, izay navoaka tao amin’ny The Times any Londres, ary nosoniavina mpahay siansa maromaro. Milaza toy izao izy io:
“Tsy ara-dalàna, araka ny fandrindran-kevitra, ny hampiasana ny siansa ho toy ny fanaporofoan-kevitra hanoherana ny fahagagana. Ny finoana fa tsy afaka nitranga ireny fahagagana ireny, dia finoana mitovy ihany amin’ny finoana fa afaka nitranga izy ireny. (...) Fisehoan-javatra tsy manam-paharoa ny fahagagana. Na manao ahoana na manao ahoana endrika mahazatra isehoan’ny filôzôfia, na fisehon’ny fitsapana hevitra mety haroso, dia zava-dehibe ny hanantitranterana fa ny siansa (miorina amin’ny fandinihana fisehoan-javatra teo aloha) dia tsy afaka ny hilaza na inona na inona momba izany raharaha izany. Ireo ‘lalàny’ dia fanitarana ireo fanandramana ataontsika fotsiny. Manana toerana hafa ny finoana.” (Izahay no manipika). Tsy misy tokoa fomba azon’ny siansa amin’ny andro ankehitriny anoherana ireo fitantarana momba ny fahagagana voarakitra ao amin’ny Baiboly.