FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/1 p. 32
  • Maniry Fitsidihana ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maniry Fitsidihana ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/1 p. 32

Maniry Fitsidihana ve Ianao?

Tamin’ny taon-dasa dia nisy vehivavy iray avy any Corpus Christi, any Texas, Etazonia, nanoratra tamin’ny Fikambanana Watchtower any Brooklyn, New York, nilaza toy izao: “Emily no anarako, ary avy nianatra ilay zavatra vita an-tsoratra nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy herinandro vitsivitsy lasa izay, aho. Rehefa avy namaky ireo gazety aho ary nampitaha azy ireo tamin’ny Baibolim-pianakavianay, dia nahita fa toa tsy nampianatra izay ao anatin’ny Baiboly Masina ny Eglizy katolika romana. Tsy niresaka mihitsy ny amin’ny anaran’Andriamanitra izy na ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy izay hitako fa foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboliko. Nitsahatra tsy nankany amin’ny fiangonan’ny fianakaviako aho ary nanomboka nianatra ny Baiboly, noho ny zavatra vitanareo an-tsoratra nilaza ny fahamarinana.

“Iriko ny hanomboka hiaraka amin’ny kongregasiona iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-toerana. Aza fady, mba andefaso hafatra izy ireo ho tonga atỳ an-tranoko hahafahanay hiresaka.”

Ho faly koa ny iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hitsidika anao sy hanampy anao hampitombo ny fahalalanao an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany, voarakitra ao amin’ny Baiboly. Mba handraisan’ny tenanao soa amin’izany asa izany, dia fenoy fotsiny ilay fanazavana takina eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy eo amin’ny tapakila.

Iriko ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny Baiboly. Aza fady, mba mandefasa olona iray hitsidika ahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara