Asan-dehilahy
“¡Ropa, zapato, casa, y comida!” Ireo teny ireo dia avy amin’ny tononkira espaniola tranainy iray mitanisa ireo foto-javatra efatra antenain’ny lehilahy iray ho azo ho an’ny fianakaviany: fitafiana, kiraro, fialofana, ary sakafo. Ary ny ankamaroan’ny lehilahy manana andraikitra dia miezaka amim-pireharehana mba hiantsoroka izany enta-mavesatra izany.
Kanefa, raha loham-pianakaviana ianao, moa ve ianao mikarakara ny zavatra ilain’ny fianakavianao eo amin’ny ara-panahy izay mbola zava-dehibe kokoa? Sa kosa ianao sahala amin’ireo lehilahy maro be mihevitra fa tsy tena asan-dehilahy ny fikarakarana ireo raharaha ara-panahy ao an-tokantrano? Amin’ny fomba amam-panao sasany, dia tsy antenaina akory ny hakan’ny lehilahy fotoana hampianarana ireo zanany ny amin’Andriamanitra sy ny Baiboly.
Ny Tenin’Andriamanitra dia mametraka amin’ny lehilahy vady indrindra ny andraikitra hanorina ao amin’ny fianakaviany fitiavana an’Andriamanitra sy fankasitrahana lalina ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Ohatra, ao amin’ny Efesiana 6:4, dia mampirisika ny lehilahy kristiana toy izao manaraka izao ny Soratra masina: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana [lalàm-pifehezana, MN] sy ny fananaran’ny Tompo [fanabeazana ara-tsain’i Jehovah, MN] izy.”
Ny sasany izay mahafantatra an’io teny io anefa dia mety tsy hanaiky amin’ny fomba feno fa natao indrindra ho an’ny ray, ny loham-pianakaviana, io andinin-teny io. Ohatra, ny fomba fitenenana espaniola sy portioge dia mety hihevitra io teny ao amin’ny Efesiana 6:4 io ho natao ho an’ny ray sy ny reny miaraka. Amin’ireo fiteny ireo, ny teny hoe “ray” sy ny teny hoe “ray aman-dreny” dia iray ihany. Kanefa eo amin’ny andininy voalohany amin’ny Efesiana toko faha-6 ny apostoly Paoly dia manisy firesahana ny amin’ny ray sy ny reny amin’ny fampiasana ny teny grika hoe go·neuʹsin, avy amin’ny hoe go·neusʹ, midika hoe “ray na reny”. Nefa eo amin’ny andininy faha-4, ny teny grika nampiasaina dia ny hoe pa·teʹres, midika hoe “ray”. Eny, ao amin’ny Efesiana 6:4 i Paoly dia niteny nivantana tamin’ny lehilahy ao amin’ny fianakaviana.
Mazava ho azy fa raha tsy misy lehilahy handray ny fitarihana ao amin’ny fianakaviana, dia tsy maintsy miantsoroka izany andraikitra izany ny vehivavy. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia renim-pianakaviana maro be no nitaiza ny zanany tamim-pahombiazana tao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsain’i Jehovah. Kanefa raha eo ny lehilahy kristiana, dia tokony handray ny fitarihana izy. Raha manao tsirambina ny andraikiny izy, dia sarotra kokoa ho an’ny sisa amin’ny mpianakavy ny hihazona fandaharana tsara ho an’ny sakafo ara-panahy. Ary hampamoahin’i Jehovah ny lehilahy toy izany noho ny fanaovany tsirambina.
Miharihary ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’io raharaha io ao amin’ireo toetra ara-panahy takina amin’ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona kristiana. Faritan’ny Baiboly fa ilay olona voafidy ho amin’ny toerana toy izany dia “manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ [kongregasionan’, MN] Andriamanitra?).” — 1 Timoty 3:4, 5, 12; Titosy 1:6.
Tsy maintsy vonona an-tsitrapo hanao sorona ny fahafinaretany sy ny fahalalahany manokana ny loham-pianakaviana ho fiahiana ny hahasoa ara-panahy ireo zanany. Indraindray izy dia tsy maintsy mampihena ny fotoana natokana ho an’ireo asa hafa mba hananana fotoana voalanjalanja holanina miaraka amin’ireo zanany tsy tapaka. (Deoteronomia 6:6, 7). Na dia izany aza, dia tsy hanolotra ho an’ny hafa io fanendrena azony avy amin’Andriamanitra io izy. Hihoatra lavitra noho ny fanomezana fitafiana, kiraro, fialofana, ary sakafo ho an’ireo zanany fotsiny ny fitiavany sy ny fiheverany azy ireo.
Tena zava-tsarotra mihitsy ny fanabeazan-janaka ao amin’ny “lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsain’i Jehovah”. Izany no nahatonga ny lehilahy ho tompon’andraikitra voalohany. Rehefa manao tsara ny asany ny ray kristiana, dia afaka mahatsapa izy fa fitahiana avy amin’i Jehovah ireo zanany matahotra an’Andriamanitra. Afaka miteny toy izao sahala amin’ny mpanao salamo izy: “Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.” — Salamo 127:4, 5.